Talata 29 Jolay 2025

Josefa (namidin’ny rahalahiny) nanontany ny toetrany ka nanao hoe : Tsara ihany va… Genesisy 43:27

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

 

Manao ahoana ianao ?

Io fomba fiarahabana mahazatra io dia matetika valina amina fomba mahazatra toy izany koa, hoe : „Tsara, fa misaotra”. Ary tsy mijanona ela amin’izany, fa avy hatrany dia miresaka zavatra hafa. Vitsy mantsy ny olona vonona tena hifandray an-kitsimpo amin’ny hafa mpiara-belona aminy. Ao amin’ny Baiboly, i Davida, izay nataon’ny rafozany haza lambo, satria tiany hovonoina, dia nilaza hoe : „Tsy misy miahy ny fanahiko” (Salamo 142:4).

Angamba ianao mahatsiaro tena ho manirery, tsy misy miahy ary tsy misy miraharaha. Nefa misy Olona iray mihevitra antsika tsirairay, manara-maso antsika, ary te hanasoa antsika. Manontany antsika Izy anio hoe : „Mandeha tsara ve ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainanao ?” Tsy fahalalam-pomba ivelambelany fotsiny ny fanontaniany, fa mahakasika ny fiainan’ny ankohonako, ny asako, ary indrindra ny toetran’ny fieritreretako, dia hoe : sambatra ve ianao, afa-po amin’ny fisianao, tsy manahy ny amin’ny hoavy, tsy manan-tahotra momba ny fahafatesana sy izay aorianany ?

Manontany antsika Andriamanitra, ary miandry valinteny manokana avy amintsika. Fantany ny fiainantsika, nanomboka tamin’ny fotoana nahaterahantsika ka mandraka ankehitriny. Ary satria tia antsika Izy ary te hanana antsika any an-danitra misy Azy, dia manolotra antsika ny famonjena amin’ny alalan’ny Zanany, ny famelana ny fahotantsika, ny fihavanana aminy, ary ny fiainana mandrakizay. Ekenao ve izany fanomezana izany ?

Davida dia nametraka tamin’Andriamanitra ny fitokiany, ka na teo aza ireo zava-manahirana lehibe, dia tsy mba nanan-java-mahory izy (Salamo 143 sy 23). Tsy maintsy mandalo fitsapana ny mpino, nefa afaka mitoetra ho tony, satria manana Ray any an-danitra, Izay tia sy mikarakara azy. Dia afaka mamaly izy hoe : „Eny, salama tsara aho”.