Alatsinainy 28 Jolay 2025

Tsy misy intsony… na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy ; fa iray ihany ianareo rehetra, ao amin’i Kristy Jesosy. Galatiana 3:28

 

Ny apostoly Simona Zelota : mpanohitra fahiny (12)

Simona Zelota dia antsoina ihany koa hoe „Simona Kananita” (Matio 10:4), satria ny teny hebreo „Kananita” dia mitovy dika amin’ny teny grika „Zelota”.

Ireo Zelota (Ireo mafana fo) dia antokon’olona malaza tamin’ny fitakiany mafy ny fanarahana ny fombafomba araka ny lalànan’i Mosesy. Ny tanjon’izy ireo ara-pôlitika dia ny handroaka amin’ny fampiasana hery ny Romana, ary ny asany dia ny ataon’ny mpampihorohoro… Ny taona 70 taorianan’i Jesosy Kristy dia namaly ny fihetsehana nataon’izy ireo ny Romana, ka nanafika an’i Jerosalema. Nopotehin’izy ireo ny tempoly, ary tanàna efa ho arivo tany Galilia no nofongoriny. Ireo Zelota farany dia naringany tao an-tanàna mimandan’i Masada.

Tsy misy na inona na inona fantatra momba ny fiainan’i Simona Zelota, nefa ny anarany dia ahafahana mihevitra fa mety ho mpitolona ara-pôlitika izy fony tanora : mpampihorohoro tamin’ny Romana, ary tia tanindrazana tamin’ny Jiosy ! Nefa tsy nihatra tamin’i Simona ny fiafarana mampihoron-koditra nanjo ny Zelota. Nahoana moa ? Tia tanindrazana nafana fo tafahoatra izy teo aloha, nefa nanjary mpianatr’i Jesosy mialoha ny famoretan’ny Romana.

Talohan’ny nanarahany ny Tompo, ny iray tamin’ireo izay nanjary apostoly, i Matio, dia azo noheverina ho „mpiara-miasa amin’ny fahavalo” ; fa ny iray kosa, i Simona, dia mety noraisina ho „mpanohitra fahavalo”. Nefa tatỳ aoriana izy roalahy ireo dia niara-niasa, niara-nandeha ary niara-niaina nandritra ny taona maro ! Tsy afaka nitranga izany fahagagana izany, raha tsy noho ny finoana an’i Jesosy Kristy sy tamin’ny alalan’ny fibebahana.

Tahaka izany koa, ao amin’ny Fiangonana dia mety ho samy hafa tanteraka ny fiaviantsika na ny tantarantsika, ary mety hifanohitra mihitsy aza. Nefa ankehitriny dia ao amin’i Jesosy Kristy Mpamonjy iombonantsika ny maha isika antsika sy ny maha iray antsika.