Alahady 27 Jolay 2025

Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Ezekiela 36:26

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17

 

Tsy ilaina amboamboarina !

Nanana trano kely efa hirodana ity lahiantitra iray. Nisy vahiny iray mpanankarena nankeo aminy, ary gaga be ilay lahiantitra, nilazany hoe vonona izy hividy lafo io trano io sy ny tany manodidina azy. Nanaiky ny tolotra ilay tompony, ka niezaka aza namboamboatra izay azo namboarina. Tsy nangataka andro izy, nandany vola sy niasa hanamafy ilay tohatra efa nihozongozona, hanolo kapila vitsivitsy vaky, hanarina varavarana sy varavarankely ary hanolo ny fitaratra vaky. Dia honina any amina trano fitaizana olona antitra izy.

Nefa vantany vao vita ny fifampivarotana, dia noravan’ilay tompony vaovao io trano io. Ny toerana nisy ny trano no nahaliana azy, hanaovany fanorenana vaovao.

Tsy toy izany ve no fanaon’Andriamanitra ? Tsy misy ilàny izay famboarantsika mihitsy. Aza mitady hanatsaratsara ny maha isika antsika, mba ho metimety jerena. Aza manandrana hihatsara mba hahafaly an’Andriamanitra. Fafany tanteraka ny lasantsika, nisy ireo tsy fahombiazana, fahadisoam-panantenana, ny fahatsirovana rehetra mahamenatra antsika. Izay rehetra mijery am-pinoana ny hazofijalian’i Jesosy Kristy dia omen’Andriamanitra toky hoe : „Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony” (Hebreo 10:17). Ny foroniny ao anatin’izy ireo dia olona vaovao, afaka mitia sy maha faly Azy.

Eny, ndao omena Azy ny fanalahidin’ny maha isika antsika, tsy anafenana na inona na inona, ndao Izy avela hanorina indray ny fiainantsika araka ny fikasany, mba hanaovany an’izany ho fonenana mendrika Azy, Izay te honina ao.