Asabotsy 26 Jolay 2025
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:9
Taorianan’ny nitsanganany velona indray dia niakatra any an-danitra Jesosy ary napetrak’Andriamanitra eo ankavanany (Marka 16:19). Mivavaka ho an’ny mpino Izy any. Raha nanota ny iray amin’izy ireo, „raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina” (1 Jaona 2:1). Ny teny hoe „solovava” dia manondro „olona iray mandray an-tanana ny raharaha mahakasika olona iray, ary miaro azy”. Nahoana moa Jesosy Kristy no tsy maintsy misahana izany asa izany ? Holavin’Andriamanitra ve ny mpino izay nanao fahadisoana ? Ny Baiboly anefa milaza fa izay mino an’i Jesosy dia tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra intsony (Jaona 5:24).
Lavorary ny asa fanavotana nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Nirotsaka manontolo tamin’Ilay Mpamonjintsika ny fahatezeran’Andriamanitra, tamin’ny fotoana nanonerany ny fahotantsika. Jesosy Kristy, Ilay „Marina”, no „avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 2:2), izany hoe neken’Andriamanitra tanteraka ny asa nataon’ny Zanany, ka vonona Izy hitsinjo antsika. Nanomboka hatreo dia nankasitrahin’Andriamanitra ny mpino, ka vita fihavanana aminy (Romana 5:1-2).
Fa rehefa manota kosa ny mpino, dia tsy manana intsony ny fifaliana vokatry ny fifandraisany amin’Ilay Rainy any an-danitra, tahaka ny zanaka diso ka mandositra ny fijerin’ny ray aman-dreniny. Amin’izay dia eo Jesosy Kristy Ilay Mpisolovava antsika, sady hanamarina fa mitoetra hatrany ho „zanaka malala”-n’Andriamanitra io mpino io (Efesiana 5:1), no miasa mba hamerina azy ho amina fiombonana feno amin’ny Ray. Ho amin’izany dia tsy maintsy miaiky ny fahadisoany amin’Andriamanitra izy. Koa ndao àry hiambina tsara mba hitahiry fifandraisana mahatretrika amin’Andriamanitra, sy hitady an’izany indray raha nisy fahotana nanimba azy.