Zoma 25 Jolay 2025
Izany Lehilahy izany (Jesosy) no itoriana famelan-keloka aminareo ; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino, ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy. Asan’ny Apostoly 13:38-39
Teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra. Romana 5:20
Ny Lalànan’i Mosesy, nomena fahiny, dia nanaporofo fa tsy vitan’ny olona ny manamarina ny tenany eo imason’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny ezaka manokana ataony. Nahariharin’io Lalàna io fa mpanota ny olombelona. Andriamanitra anefa dia masina, ka tsy mahajery ny ratsy (Habakoka 1:13). Noho izany, tsy afaka manatona an’Andriamanitra ny olombelona, mikatona aminy ny lanitra.
Andriamanitra anefa dia tia antsika tsirairay, noarìny isika mba hiaraka aminy, ho sambatra any an-danitra. Noho izany dia noraisiny an-tanana ny toe-piainana tsy misy antenaina intsony nisy antsika. „Ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (Jaona 1:17). Tao aminy dia nanatona antsika Andriamanitra, mba hanasitrana antsika. Tsy nafeniny antsika ny marina momba ny maha isika antsika, nefa Izy mihitsy koa no nanome ilay hany sorona afaka manasitrana ny toetra mahonena ananantsika.
Andriamanitra dia tsy mitaky ny hanatanterahantsika ezaka mba haha marina antsika. Nomeny Mpamonjy isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina. Ary izay mino Azy, ka mibebaka, dia voavela heloka sy hamarinin’Andriamanitra Izy tenany mihitsy. Nisolo toerana io olona io Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, nitondra ny fahotany. Ampy tanteraka ny sorona nataon’i Jesosy, nahafeno ny fepetra takin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Vita fihavanana aminy, dieny ankehitriny, izay mino ny herin’io sorona io (Romana 5:1).
Tsy manilika an’iza na iza ny fahasoavan’Andriamanitra, fa natao ho an’ny olona rehetra, ary maimaimpoana, mahatsara, manafaka.
Afoizo ny ezaka manokana, ekeo ny fanambaran’Andriamanitra sy ilay fanafana mahatalanjona, dia ny fahasoavan’Andriamanitra !
(tapitra)