Alakamisy 24 Jolay 2025

Ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17

 

Mosesy sy Jesosy Kristy (1)

Tamin’ny alalan’i Mosesy Andriamanitra, fahiny, dia nanome Lalàna ho an’ny olony, ary nanome toky izy ireo fa hankatò azy io (Eksodosy 19:8). Natao hotanterahina manontolo io Lalàna io : izay diso amin’ny iray loha dia meloka amin’izy rehetra (Jakoba 2:10). Ny Didy Folo ao dia mikasika ny fitondrantenan’ny olona iray, manoloana an’Andriamanitra sy manoloana ny namany. Asehon’ny Tompo Jesosy ny tena hevitr’io Lalàna io : „Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Lioka 10:27).

Ny tantaran’ny zanak’olombelona dia nampiseho fa tsy nisy olona nahavita nanaja an’io Lalàna tonga lafatra io, lalàna naneho ny toe-pon’ny olombelona.

Ny fitaovana fanamarinana ny fijidina rindrina dia ahitana fa tsy mahitsy izy io, nefa tsy natao hanarenana azy. Tahaka izany koa, ny Lalàna dia nanaporofo fa tsy vitan’ny olombelona ny manatanteraka ireo fepetra ara-toe-panahy takin’Andriamanitra, nefa tsy nahatonga ny olombelona ho marina.

Loza ny didim-pitsarana : „Tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10). Noho izany dia tsy misy, na iza na iza, afaka hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fanatanterahana izay takin’ny Lalàna („ny asan’ny lalàna” ; Romana 3:20).

Nefa misy vaovao mahafaly nambaran’i Jesosy Kristy : niantso fanozonana ho an’ny olona ny Lalàna, fa Andriamanitra kosa te hitahy azy. Ho amin’izany dia nirahiny ho any amin’ny olona meloka ny Zanany Lahitokana : „Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy ; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo” (Galatiana 3:13). Nanomboka hatreo dia afaka mitahy ny olona Andriamanitra, noho ny asa fanavotana lavorary notanterahin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana…

(rahampitso ny tohiny)