Alarobia 23 Jolay 2025

Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy (Andriamanitra) ; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo, sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana. Asan’ny Apostoly 14:17

 

Difin’ny asa nanirahana ve ?

Tany mitombo hafanana, zava-maniry sy zavamanana aina voahetraketraka, tontolo iainana voaloto… Resahina isanandro any amin’ny haino aman-jery ireo zava-manahirana ny olombelona ireo. Ny ataon’ny olombelona, mitady lalandava tombontsoa bebe kokoa hatrany, dia mampihena ny harena voajanahary. Mijaly ny tany. „Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary, toy izay efa hiteraka, mandraka ankehitriny” (Romana 8:22). Araka ny fihevitr’Andriamanitra dia tokony hamboly sy hitandrina ny tany ny olombelona (Genesisy 2:5). Tsy nahatanteraka ny asa nanirahana azy izy. Ambaran’ny Baiboly amintsika hoe nahoana ny olombelona no te hanatanteraka io asa io tsy misy an’Andriamanitra. Izany toe-po izany no antsoin’Andriamanitra hoe ny ota. Nisaraka tamin’Ilay Andriamanitra Mpahary antsika isika, ka nanimba ilay voariny kanto sy lavorary. Nanjifa tafahoatra azy io isika, ho fahafinaretantsika. Koa voalohany indrindra, dia tsy maintsy miaiky ny avonavona sy fitiavantenantsika isika. „Mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo” (Asan’ny Apostoly 3:19). Na manao zavatra hanasoavana ny planeta aza isika, dia tsy tokony hanadino fa manomboka ao anatin’ny fontsika ny fahapotehany. Iza moa Andriamanitra ho ahy, ho anao ? Tia antsika Izy ka te hamela izay rehetra fahotantsika, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy.

Koa raha mahatsapa izany fitiavan’Andriamanitra izany isika, dia tsy afaka tsy hiraika amin’ny fahapotehan’ny voary. Taomina àry isika hivelona am-pahononan-tena, eto amin’ity tany ity (Titosy 2:12), ka tsy hihoa-pefy na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona : hanina, fananana ara-karena, fialamboly…

Ndao hanaja ny fahariana, izay vavolombelon’ny hamoram-panahy sy fahendren’Ilay Mpahary, mandraka ankehitriny.