Talata 22 Jolay 2025

[Andriamanitra] manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa. Joba 5:9

Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany : Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetrentena. Mika 6:8

 

Zavatra lehibe

Tamin’ny nipetrahan’ilay soloolombelona „Perseverance” teo amin’ny planeta Marsa, tamin’ny volana febroary 2021, dia nanan-kevitra ny injenieran’ny NASA handefa hafatra amina rafi-teny manokana. Ireo izay nijery ny sary dia nahita tsipika fotsy sy mena teo amin’ny elonaina fanisatra. Rehefa novakina izany dia izao : „Sahia manao zavatra lehibe”. Izany hafatra izany angamba dia te hilaza marina fa lalin-tsaina ny olombelona.

Ireo fandrosoana ara-tsiansa sy asa goavana ara-teknika dia maneho ny haranitan-tsaina ambony ananan’ny olombelona, izay noarìna tahaka ny endrik’Andriamanitra, ka mampitolagaga. Nefa aoka hotsarovantsika i Solomona, manampahaizana tamin’ny fotoanandrony, niteny hoe : „Nanao asa lehibe… aho… Nefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany” (Mpitoriteny 2:4-11).

Ndao kosa hodinihina ireo „zavatra lehibe” nataon’Andriamanitra ho antsika. Hahatonga antsika hanetry tena izany, ka hanaisotra izay rehetra mety ho hambo ao anatintsika. „Matahora an’i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin’ny fonareo rehetra ; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao”, hoy i Samoela (1 Samoela 12:24). Ny Baiboly dia milaza amintsika izay rehetra nataon’Andriamanitra, ny halehiben’ny fahariana, hatramin’ny asa notanterahin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, ho famelana ny fahotantsika. Araka izany dia aseho eo anoloantsika ny voninahitr’Andriamanitra, ao amin’ny heriny, ny fitiavany, ny fahamasinany, ary ny fahamarinany. Izany dia mamerina antsika eo amin’ny toerana maha olona antsika, miankina tanteraka amin’Andriamanitra ary mila mihavana amin’Ilay Mpahary antsika. Ndao hikatsaka am-panetrentena ny famonjeny, ny fiadanany, ary handeha am-pankatoavana eo amin’ny lalana mahafaly Azy.