Alatsinainy 21 Jolay 2025
Jesosy… [nampiakarina any an-danitra] rehefa nodidiany tamin’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny. Asan’ny Apostoly 1:1-2
Ary tamin’ny hery be no nanambaran’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo ; ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra. Asan’ny Apostoly 4:33
Tsy misy na inona na inona lazaina momba an’i Jakoba zanak’i Alfeo, ao amin’ireo filazantsara. Ny amin’i Jodasy (antsoina ihany koa hoe Tadeo), dia fanontaniana iray ihany no lazaina momba azy : „Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’izao tontolo izao koa ?” (Jaona 14:22). Zava-dehibe ny navalin’ny Tompo io fanontaniany io : Izy dia maneho ny tenany amin’ny olona rehetra tia Azy sy mitandrina ny fampianarany.
Zavamisy fototra : ny apostoly tsirairay dia Jesosy no nifidy azy (Jaona 6:70) mba hiaraka aminy, ho mpiara-dalana aminy, ho namany. Nahafoy ny zavatra rehetra izy ireo (Matio 19:27), ary nandritra ny telo taona dia nanaraka Azy tany amin’ny tanàna samihafa sy ny lalana tany Galilia sy Jodia.
Nofidina izy ireo ary nampianarina, nandeha niaraka tamin’i Jesosy teny rehetra teny. Naniraka azy ireo tsiroaroa Jesosy, niteny taminy mba tsy hitondra na inona na inona, „na hanina, na kitapo, na vola” (Marka 6:8). Tsy maintsy niantehitra tamin’ny fikarakaran’ny Tompo izy ireo.
Taorianan’ny nitsanganan’ny Tompo velona indray dia nandray ny Fanahy Masina ny apostoly, ary nanjary vavolombelon’ny Tompo „any Jerosalema, sy eran’i Jodia sy Samaria, ary hatramin’ny faran’ny tany” (Asan’ny Apostoly 1:8), araka izay nandidiany azy ireo. Vavolombelon’ny fiainany, ny nahafatesany ary ny nitsanganany velona indray izy ireo. Ny Filazantsara izay notoriny dia voamarina tamin’ny fahagagana maro. Nijaly mafy izy ireo noho ny Filazantsara, ary rehefa avy Jesosy haka ny Fiangonany, dia hiara-manana toeram-boninahitra aminy izy ireo (Matio 19:28 ; Apokalypsy 21:14).
Isika ihany koa ve mba mivelona tahaka vavolombelon’i Kristy ?