Alahady 20 Jolay 2025

(Hoy Jesosy :) Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Apokalypsy 21:6

 

Mividy ny fahasoavan’Andriamanitra hoe ?

Nandritra ny ady iray dia komandin’ny tafika i Théodore Roosevelt. Narary ny miaramilany noho ny tsy fahampian-tsakafo. Koa nankany amin’ny Vokovoko Mena i Roosevelt, mba hividy sakafo amin’ny volany manokana. Nandà ny Vokovoko Mena. Satria tsy nanaiky izany izy, dia nisy niteny taminy hoe :

— Andramo angatahina fotsiny !

Gaga dia gaga i Roosevelt, ary nitsiky, niteny hoe :

— Raha mora toy izany àry, dia mangataka sakafo ho an’ny miaramilako aho !

Dia nahazo izy, nahazo maimaimpoana.

Maro ny manao fahadisoana tahaka ny an’i Roosevelt, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Misy tonga, manonona vavaka nianarany tsianjery, misy manome toky fa hanatsara ny fitondrantenany, misy hafa ihany koa milaza ny maha anisana fiangonana iray azy. Tsia, fa ny fiainana mandrakizay dia azontsika tamin’ny nanaovan’i Jesosy sorona ny tenany teo amin’ny hazofijaliana. Tsy maintsy nijaly sy maty ny Zanak’Andriamanitra, mba hanonitra sy hanafoana ny naniratsirantsika an’Andriamanitra.

Tsy misy afaka mandoa amin’Andriamanitra ny avotra aina mba ho voavonjy (Salamo 49:8) ; nefa Andriamanitra dia marina, ka mamela heloka izay olona mino fa Jesosy nanefa ny avotra ho azy. „Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano ! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna ! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena” (Isaia 55:1).

Tsy zakan’ny avonavontsika izany, satria aleontsika mandray anjara. Tsy azo vidina anefa ny fahasoavan’Andriamanitra. „Ny rany (ran’i Jesosy) teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20). Ny ainy natao sorona no saran’ny fanomezana fiainana mandrakizay, ho an’izay mino fotsiny ihany : „Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:13).