Asabotsy 19 Jolay 2025

Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko. Salamo 56:8

Jesosy nitomany. Jaona 11:35

Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony. Apokalypsy 21:3-4

 

Mitomany

Ao anaty tononkalo malaza iray mitondra ny lohateny hoe „Ny fahafatesan’ilay amboadia” dia nanoratra i Alfred de Vigny hoe : „Ny mitoreo, mitomany, mivavaka dia samy hakanosana avokoa” ; noraisiny ho ohatra faka tahaka ny fahafatesana amboadia iray mahari-pery manoloana ireo mpihaza azy.

Ny mitomany ve marika fahalemena ? Maro ny olona no mbola mihevitra izany, angamba satria isika miaina ao anaty tontolo miha mafy fo sy tsy mihontsina kokoa hatrany.

Iverenana tsikelikely anefa izao io fiheverana io, ary ekena fa afaka mahasoa ny mitomany.

Rehefa mitomany isika dia manaiky hampiseho ny harefontsika, ny maha mora maratra antsika, ny filantsika fanohanana, vonjy, indraindray koa ny fahafahantsika mahatsapa ny tsapan’ny hafa. Ho an’ny kristiana, ny mitomany dia midika ho fiantsoana fanampiana amin’ny Tompo, tahaka vavaka mangina. Jesosy, Ilay Lehilahy lavorary, dia nitomany koa. Tohina Izy tamin’ny fahantran’ireo izay nandà ny Filazantsaran’ny fahasoavana : „Raha… nahita ny tanàna (Izy), dia nitomany azy ka nanao hoe : Raha mba nahafantatra mantsy ianao… izay momba ny fiadanana ! —fa ankehitriny miafina amin’ny masonao izany” (Lioka 19:41-42). Avy eo koa, teo amin’ny fasan’i Lazarosy Izy dia nitomany, nahita ny fahefan’ny fahafatesana eo amin’ny fanahin’ny olona (Jaona 11:33-35). Feno fangorahana sy fitiavana ny fon’ny Tompo Jesosy. Tohina amin’izay rehetra fahoriantsika Izy, miombom-po amin’ny fijaliantsika, ny fahantrana, ny famoizana olo-malala, ny tebiteby ; ary ho avy ny andro „hamafany ny ranomaso rehetra” amin’ny masontsika.

Eo am-piandrasana izany andro mahafaly izany, isika ihany koa dia angatahin’ny Tompo mba ho feno fangorahana toa Azy, ary hiaraka „mitomany amin’izay mitomany” (Romana 12:15).