Zoma 18 Jolay 2025

Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra ; isaorana anie ny anaran’i Jehovah ! Joba 1:21

Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho ; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. Isaia 43:1

Fa tonga ny Zanak’olona hamonjy ny very. Matio 18:11

 

Fahafatesana mampihoron-koditra

Tamina andro iray tsotra toy ny mahazatra dia nampandry ity zanany i Eva. Zazakely mahafatifaty salama tsara, natory tam-pilaminana. Nefa nony hamoha azy izy hampinono azy, ora vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nivadi-po, nahita fa tsy niaina intsony ilay zanany. Fahafatesana tampoky ny zaza vao teraka io, hoy ny mpitsabo. Dona tsy roa aman-tany ! nahery vaika ho an’ity reny, ho an’ilay ray, ho an’ny fianakaviana, ny namana. Toa tsy ho zaka mihitsy aza ny fangirifiriana manaikitraikitra mafy, izay tsy maintsy hianarana iainana.

Nahoana Andriamanitra no mamela zava-doza toy izao hitranga eo amin’ny fiainana andavanandro-na ankohonana manolo-tena hanompo Azy ? Nahoana no nalainy tampoka toy izao ity zazakely tsy manan-tsiny ? Hay heverina ve ny dika-na tranga toy izao ?

Ny fitsapana toy ireny dia maha tonga saina antsika ny amin’ny fetra araka ny maha olombelona antsika, marefo sy mety maty. Mihaika antsika ireny fitsapana ireny, hahitantsika teny mampitony sy mampionona. Mametraka antsika eo anoloana zava-miafina sarotra takarina sy ekena aoka izany.

Inona no afaka avalin’ny finoana ? Ny hoe finoana mantsy dia ny fatokiana an’Andriamanitra indrindra, ny fiekena fa tsy manohintohina ny fahamarinan’ireo fanambaran’ny Teniny ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana. Ny kristiana, na tsy mahatakatra aza, dia resy lahatra fa eo an-tanan’Ilay Ray tia azy sy tsy mety diso. Andriamanitra irery ihany no hendry.

Ary koa, lazain’ny Baiboly antsika fa eo anatrehan’ny Tompo ny zazakely nalaina toy izao. Ary ao anaty haizin’izany fangirifiriana izany, Jesosy dia mijoro eo akaiky eo. Io fanatrehana mampionona io, dia ny finoana no afaka mahatsapa azy.