Alakamisy 17 Jolay 2025

Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho. Salamo 56:4

Andriamanitra no aro sy hery ho antsika ; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Salamo 46:1

 

Fampaherezana manao ahoana ?

Ao amin’ny tantaran’i Davida tantarain’ny Baiboly, Andriamanitra dia nampanantena an’i Davida fa ho mpanjaka izy. Saingy nitady hamono azy i Saoly, ilay mpanjaka tamin’izany fotoana izany. Tao anatin’io fotoan-tsarotra io anefa i Davida dia hankaherezin’i Jonatana, zanak’i Saoly mpanjaka.

Matetika ny teny fampaherezana ataontsika dia ny hoe : „Aza manahy, hilamina io”. „Miaraka aminao izahay”. „Mahereza, fa ho tafavoaka ianao”. Ireny fampaherezana ireny ve, matetika, tsy tena ivelambelany fotsiny, ho an’ireo izay mandre azy ireny ?

Fomba hafa kosa ny nampaherezan’i Jonatana an’i Davida : niezaka izy nanatanjaka ny fatokian’i Davida an’Andriamanitra. Azo antoka fa tena nilain’i Davida ny tenin’i Jonatana, tamin’ny fotoana nahitan’i Saoly indray ny toerana nisy azy, sy nanatonan’i Saoly azy akaiky aoka izany, hany ka saika azony izy mba hovonoiny. Inona no hataon’i Jonatana ? „Ary Jonatana, zanak’i Saoly, niainga, dia nankany amin’i Davida tany an’ala ka nampahery ny tànany tamin’Andriamanitra. Ary hoy izy tamin’i Davida : Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’i Saoly raiko ; fa ianao no ho mpanjaka amin’ny Israely… ary fantatr’i Saoly raiko koa izany” (1 Samoela 23:16-17). Ny fitokiana amin’Andriamanitra sy amin’ny Teniny, ao anaty toejavatra toy izany, dia manova ny zavatra rehetra.

Angamba ianao, amin’izao fotoana izao, kivy, maratra, mangaihay ao amin’ny toejavatra iainanao. Angamba mahatsapa tena ho irery, tsy takatry ny olona ny manjo anao, mahatsiaro hoe nilaozana, na nailika… Koa te hampahery anao izahay, hatokianao an’Andriamanitra sy ny tana-maheriny. Ndao hifampahatsiahy fa efa niteny Izy hoe : „Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory” (Hebreo 13:5).