Alarobia 16 Jolay 2025
(Hoy ny iray tamin’ny mpianatra tamin’i Jesosy :) Misy zazalahy atỳ manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany, amin’izao olona betsaka izao ? Jaona 6:9
Fa Izy (Jesosy) namaly ka nanao taminy hoe : Omeonareo hanina izy. Marka 6:37
Ho ampy inona moa izany, amin’izao olona betsaka izao ?
Tsara vakina : Jaona 6:5-13
Toy ny mpianatr’i Jesosy, tsy isalasalana fa mety ho niteny koa isika hoe : „Ho ampy inona moa izany, amin’izao olona betsaka izao ?” Saino tokoa ange e ! Mofo dimy sy hazandrano roa hamahanana vahoaka 5000 lahy… Nefa Jesosy dia niantehitra tamin’ny fahalalahan-tanan’ity zazalahy kely ity, nanome izay rehetra tany aminy, izany hoe mofo dimy sy hazandrano roa, ary nampitombo izany, ka nisy ambiny roambinifolo harona rehefa voky ny vahoaka. Nampandray anjara ny mpianany tamin’izany fahagagana izany koa Izy. Ny fandraisan’izy ireo anjara dia ny nitondra fotsiny teo amin’i Jesosy izay kely natolotr’ilay zazalahy azy ireo, nampipetraka ny olona, ary nizara ny mofo.
Indraindray Andriamanitra dia mamela zava-manahirana lehibe hitranga eo amin’ny fiainantsika. Aza manary toky isika. „Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” (Lioka 1:37). Mahay mamaha ny olana tsy hay vahana Izy, ary mahay manatanteraka izay tsy hay tanterahina. Hainy ny mamerina aminy indray izay nania, ny manome finoana izay tsy mino Azy.
Te hampiasa antsika ao amin’ny asany koa Andriamanitra. Marina fa tsy misy dikany amin’Andriamanitra izay ananantsika. Lehibe sy mahery aoka izany Izy ! Nefa dia zava-dehibe io „zavatra kely” io, aminy. Tiany hanatanteraka ny anjara tandrify antsika isika, avy eo dia hampitomboiny izany, amin’ny fomba tsy ampoizina. Ataony izany mba hanatanjahana ny finoantsika sy ny fahalalahan-tanantsika. Ndao hametraka ao amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra izay kely ananantsika, fa sitrany ny mampiombona antsika amin’ny asany mahatalanjona.
Ho an’ity tontolo misy anay ity, tontolo manadino Anao,
Tontolo tsy manana fahasambarana tena izy,
Mba ekeo, ry Kristy ! ary ampitomboy
Ny kely atolotry ny foko Anao.
(Claire-Lise de Benoît)