Talata 15 Jolay 2025

Misaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika. Efesiana 5:20

Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra ; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. 1 Tesaloniana 5:16-18

 

Fankasitrahana

Ny andinin-tSoratra masina androany dia mitaona antsika hisaotra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, izany hoe haneho aminy ny fankasitrahantsika, na inona na inona zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika. Zavatra sarotra izany, rehefa ratsy ny fandehan-javatra ; ary rehefa mandeha tsara ny zavatra rehetra, dia matetika hadinontsika ny misaotra an’Andriamanitra.

Alohan’ny zavatra rehetra, dia zava-dehibe ny mahatsiahy fa tia antsika Andriamanitra, fa Tsitoha Izy, sady mahasoa antsika izay rehetra ataony eo amin’ny fiainantsika. Fantany izay ataony, fantany ny antony anaovany izany, fantany hoe ho an’ny inona no anaovany izany : „Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo” (Romana 8:28).

Koa rehefa tsy mandeha araka izay naniriantsika azy ny zava-mitranga, dia afaka mianatra manova ny fijerintsika ny toejava-miseho eo amin’ny fiainana isika. Araka izany, ireo sakantsakana miseho isanandro dia manjary fotoana tandrify hifaneraserana lalindalina kokoa amin’Ilay Raintsika Izay any an-danitra. Entintsika eo aminy ireo zava-manahirana antsika, alahelo, tsy fahatakarana antsika, fisalasalana ; dia isaorantsika Izy, miaraka amintsika mandritra ny tontolo andro.

Mazava ho azy fa rehefa heverin’ny Ray hoe mahasoa ny mampandalo antsika amina lalana sarotra, dia afaka mivavaka isika, mangataka ny fanampiany, ary ny fanafahany koa aza. Nefa rehefa miantehitra amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra isika, dia afaka misaotra Azy koa. Mety hahagaga izany fihetsika izany, nefa dia vokatry ny fatokiana Ilay tia antsika sy te hanisy soa antsika any am-parany (Deoteronomia 8:16).