Alatsinainy 14 Jolay 2025

Jesosy… nahita lehilahy atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy : Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy. Matio 9:9

 

Ny apostoly Matio : ilay mpamory hetra (10)

Matio, antsoina ihany koa hoe Levy, dia namory ho an’ny Romana ny hetran’ny Jiosy mpiray firenena taminy. Amin’izy ireo, dia tahaka firaisana tsikombakomba amin’ny mpanjana-tany izany. Koa nankahalain’ny olona ny mpamory hetra, satria ankoatra izany, ny sasany tamin’izy ireny dia nitaky mihoatra noho izay tokony haloa (Lioka 3:13). Na izany aza anefa, Jesosy dia niantso an’i Matio ho mpianany, ary nifidy azy ho anisan’ny apostoly roambinifolo.

Olona tso-piaina ny apostoly hafa, fa i Matio kosa dia noheverina ho manankarena. Ny asany sy izy nanoratra ny filazantsara mitondra ny anarany dia mampiseho amintsika fa olona manam-pahalalana izy.

Nipetraka teo amin’ny latabatra famorian-ketra i Matio ; hoy Jesosy taminy : „Andeha hanaraka Ahy”. Avy hatrany izy dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nitsangana, ary nanaraka an’i Jesosy. Avy eo izy dia nanao fanasana lehibe tao an-tranony, ho an’i Jesosy, sady nanasa ny mpamory hetra mpiara-miasa aminy, mbamina olon-kafa maro izay ratsy laza ny sasantsasany (Lioka 5:28-29). Voakiana izany halalaham-pony izany, nefa nanazava ny toejavatra Jesosy, nilaza hoe tsy tonga hiantso ny marina Izy, fa ny mpanota mba hibebaka (and 31-32).

Mety ho afaka noheverina fa olona mpivavaka, Fariseo na mpahay ny Lalàna, no nanana antony mitombina kokoa tokony hifidianan’ny Tompo azy, mba ho mpiombona antoka amin’ilay asa feno fitiavana sy hery nataony teo amin’ny vahoakany. Tsy izany anefa, fa olona natao tsinontsinona no nantsoin’i Jesosy. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia hanofana an’i Matio ho amin’ny asa fanompoana ny Tompony. „Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo” (Marka 1:17).