Alahady 13 Jolay 2025

(Hoy Jesosy :) Izaho no vavahady ; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy. Jaona 10:9

Midira amin’ny vavahady èty ianareo. Matio 7:13

Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana. Efesiana 2:8

 

Rahoviana no mivoha ilay vavahady ?

Ireo antokom-pivavahana dia manolotra ho an’ny olombelona lalam-pamonjena hahatongavana eo amin’Andriamanitra. Ny famonjena dia azo heverina ho tahaka vavahady ahafahana mankany amin’Andriamanitra. Antokom-pivavahana maro no mametraka izany any amin’ny fiafaran’ny fiainana. Ary mba hidirana amin’izany vavahady izany, dia tsy maintsy manaja fitambarana fitsipika, fombafombam-pivavahana, fomba amam-panao, ary manao asa soa. Mandra-pifaran’ny androm-piainan’ilay mpivavaka, dia miankina amin’ny fitondrantenany ny zavatra rehetra. Tsy misy olona mahazo antoka fa hahatratra ny tanjona. Andriamanitra mantsy dia masina, ary ny olona kosa mpanota. Ny asa tsara natao ve ho ampy hifandanja amin’ny zava-dratsy natao ? mba hahafa-po an’Andriamanitra.

Hafa tanteraka ny Filazantsara : izy dia manolotra ho antsika Mpamonjy iray, dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay miteny amintsika hoe : „Izaho no vavahady ; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy”. Mahita sy miditra amin’io vavahady io, raha mino an’i Jesosy. Dia voavonjy isika, amin’izay. Izay mino an’i Jesosy dia omeny ny fiainana mandrakizay. Raha vao tafiditra ao isika, dia efa ao aminy, dieny amin’izao fiainantsika eto an-tany izao.

Nahoana moa Jesosy no ilay vavahady ? Satria Izy nisolo toerana antsika teo amin’ny hazofijaliana (Marka 10:45), nanolotra ny ainy mba hamafana ny fahotantsika. Maty Izy, nefa ihany koa nitsangana velona indray, ary velona any an-danitra ankehitriny.

Io vavahady io dia èty, izany hoe isika tsy maintsy mamela eo an-tongotr’i Jesosy izay rehetra fahotantsika, ary miaiky fa tsy afaka manome na inona na inona, mba hidirana ao. Manaiky am-panetrentena fa ampy ny fahasoavany.

Ny hoe mino ny Filazantsara dia mandray famonjena lavorary, mahazo antoka fa afaka miditra any an-danitra, satria any Jesosy. Ary aorianan’ny fiainana eto an-tany, ny mpino dia hiditra mora foana ao an-tranon’ny Ray !