Asabotsy 12 Jolay 2025

Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany ; manandratra ny feony eny an-kalalahana izy… Fa izay mihaino Ahy kosa, hitoetra tsy manana ahiahy ; eny, handry feizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. Ohabolana 1:20, 33

Kristy Jesosy… nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika. 1 Korintiana 1:30

 

Miaina tsara

Matetika isika dia anontaniana raha natory tsara ny alina, ary mahalana kokoa no anontaniana hoe niaina tsara ny tontolo andro vao nifarana ve. Momba ny torimaso dia afaka mamaly isika, satria mahafantatra raha natory tsara ; fa momba ny hoe niaina tsara kosa, dia ny hafa no tena mahafantatra raha niaina tsara aho na tsia.

Fa inona moa no atao hoe miaina tsara ? Miaina am-piadanana ve ? miaina am-pahasambarana ? miaina am-pahatoniana ? Tany am-piandohana, ny hoe miaina tsara dia nidika hoe miaina mifanaraka amin’ny lalàna ara-pivavahana. Amin’ny filôzôfa sasany, ny hoe miaina tsara dia mitondra tena am-pahitsiana (Spinoza), na manana „fiainana tsara” (Aristote), izany hoe fiainana anatanterahana amin’ny fomba lavorary ny antony nahariana ny tena. „Miaina amin’ny fahitsiana” : mety heverintsika ho lany andro izany, nefa tsy misy olona tia hilazana lainga. „Manatanteraka izay antony nahariana ny tena” : mihevitra angamba isika fa tsy misy fotony ny fiainana, nefa rehefa nahatanteraka asa fiantrana, asa soa, isika, dia mahatsapa fa izany no ilay fiainana tsara resahin’i Aristote.

Ary raha mba jerentsika moa izay lazain’ny Baiboly momba izany ? Ny bokin’ny Ohabolana dia mampifanakaiky ny „fiainana tsara” amin’ny fikatsahana ny fahendrena, izany hoe fitondrana ny fiainana araka ireo fitsipika fototra omen’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Raisina ho olona mihitsy aza ny fahendrena : „Fa izay mihaino Ahy kosa, hitoetra tsy manana ahiahy ; eny, handry feizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy” (andininy androany). Io fahendrena tsy haintsika hatonina io dia atolotr’Andriamanitra antsika ao amin’i Jesosy Kristy, rehefa manatona Azy amin’ny finoana isika. Izy no fahendrentsika, mpitari-dalana antsika eo amin’izay rehetra safidintsika, herintsika mba hanatanterahana ny tsara.