Zoma 11 Jolay 2025
Tao ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao. Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Jaona 1:9-11
Ny resahin’ny teny androany dia Ilay tena Mazava, tonga teto amin’izao tontolo izao mba hanazava ny olona. Ny Filazantsara araka an’i Jaona dia manoritsoritra Azy ho ny Teny, Olona sady Andriamanitra mandrakizay.
„Tonga teto amin’izao tontolo izao” Jesosy. Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Andriamanitra rahateo, Ilay nampisy „izao tontolo izao”, dia tonga teto amin’ity tontolo ity, olona teo anivon’ny olona rehetra.
„Ary izao tontolo izao tsy nahalala Azy”. Ny zanak’olombelona dia tsy nahafantatra Ilay Mpahary azy, tonga nitsidika azy tan-kalemem-panahy sy tam-pitiavana ! Namorona tontolo tsy miraharaha an’Andriamanitra ny olona, ary nandà tsy hohazavain’ny fahazavan’Andriamanitra.
„Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy”. Ny hoe „ny Azy”, dia ny vahoaka Israely, tao amin’io firenena nahaterahan’i Jesosy io —satria Izy tokoa no resahina eto-, nahalehibe Azy, nanaovany soa tsy hita isa, nanehoany fangorahana aoka izany ny mahantra sy ny mijaly. Nefa ny vahoaka, izay ahafahantsika tsirairay mahita ny tenantsika, dia tsy nila Azy, ka niantsoantso nony farany, hoe : „Ento [na : Vonoy], ento, homboy amin’ny hazofijaliana Izy !” (Jaona 19:15). Nahoana no dia nankahalaina mafy toy izany Jesosy ? Satria ny halavorariny ara-toe-panahy dia nanameloka ny fahambanian-toetran’izy ireo sy ny fitondrantrenany maharikoriko, indrindra ny an’ireo mpitarika ara-pivavahana. Tsy zakan’izy ireo Ilay „tena Mazava”.
Ary ankehitriny ? Na eo aza ny fandrosoan’ny fomban-tany, dia mbola mandà an’i Jesosy Kristy sy ny Fahazavany hatrany izao tontolo ankehitriny izao. Fa Andriamanitra kosa, noho ny fitiavany tsy manam-petra, dia mbola milaza amintsika tsirairay manokana, hafatra mitondra fahasoavana sy famelan-keloka, izay mandalo amin’ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Zanany : te handray Azy ve ianao ?