Alakamisy 10 Jolay 2025

(Hoy Jesosy :) Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo ; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy. Matio 6:34

 

Miaina ny andro anio

Indray andro ity marary iray niharan-doza mafy dia nametraka ny fanontaniana hoe :

— Dokotera ô, hafiriana aho no tsy maintsy hijanona eto am-parafara eto ? Namaly ilay mpitsabo hoe :

— Iaino fotsiny ny andro anio.

Nampianarin’Andriamanitra izany lesona izany ny Zanak’Israely, nandritra ny namakivakian’izy ireo ny taniefitra. Nanangona ny mana (haniny) „isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy” (Eksodosy 16:21). Isanandro isanandro dia nilatsaka avy any an-danitra ny mana ; tsy nisy nanana be loatra, ary tsy nisy nanana ny tsy ampy.

Araka izany, ny fampanantenan’Andriamanitra dia tsy hoe : isan-kerinandro anjara ho an’ny herinandro, na isam-bolana… fa „izay sahaza hohaniny isanandro”. Izao no dikan’izany : ny fahasoavana ho an’ny alatsinainy, dia azoko ny alatsinainy ; ny fahasoavana ho an’ny talata, dia ny talata ; ary toy izany hatrany. Koa nahoana àry no hanahy mialoha ? Ny fitsipika ho an’ny kristiana dia ny miaina isanandro isanandro am-pitokisana amin’Andriamanitra : „Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy”.

Mitantana antsika Andriamanitra —dingana iray hatrany isaky ny mandeha. Ny miaina ny andro tsirairay mifandimby dia tsiambaratelo mahasambatra, ho an’izay miaina miaraka amin’Andriamanitra. Afaka mitondra ny zava-manavesatra ny tena, mandra-pahatonga ny alina, na toy inona na toy inona lanjany. Afaka manatanteraka ny andraikitry ny tena, mandritra ny andro iray, na mafy toy inona aza io. Ary „araka ny hery izay omen’Andriamanitra” (1 Petera 4:11), dia afaka miaina am-patokiana sy am-pitiavana. Amin’izany no mampisy dikany feno ny fiainana, ho antsika —ao anaty andro kely iray monja. Ny finoana dia loharano-na fatokiana, toy ny maha loharano-na fanantenana azy, ho an’ny mpino. Mahafantatra izy fa eo ampelatanan’Ilay Mpiandry tsara mikarakara azy isanandro isanandro.