Alarobia 9 Jolay 2025
Fa izay tian’i Jehovah no faiziny… Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka ; fa aiza moa izay zanaka tsy faizin-drainy ? Hebreo 12:6-7
Ho „fety” anie ny sitraponao
Nisy vehivavy zokiolona mpino iray, nampiasa io fiteny io rehefa nandalo fotoan-tsarotra. Dia tsindriny manokana ny teny hoe „fety” (amin’ny teny frantsay, mitovy faneno amin’ny hoe „atao”). Ninoany ary noraisiny ilay lazain’ny Baiboly hoe : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao”. Fantany fa tonga tetỳ an-tany Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ary maty teo amin’ny hazofijaliana mba hamafa ny fahotany ; dia nandray ny fiainana mandrakizay izy. Nifamatotra tamin’i Kristy tamin’io fiainana io izy, ka nahatsapa ny fitiavany, izay namonjy azy ho amin’ny ankehitriny sy ny hoavy. Koa feno fatokiana an’Andriamanitra izy amin’ny zava-mitranga rehetra, fantany fa izay rehetra mihatra aminy dia hahasoa azy sy ho voninahitr’Andriamanitra. Na tao anaty vanimpotoana sarotra aza izy, dia mampahatsiahy ny teny hoe : „Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay” (2 Korintiana 4:17).
Ny andininy androany dia miresaka amintsika momba ny famaizana, izany hoe ny fampianaran’Andriamanitra, manaporofo fa zanany tokoa isika (Hebreo 12:7-8). Ataony izany „hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany” (and 10). Ho an’io ramatoa namana io, izay zavatra avelan’Ilay Rainy any an-danitra hitranga, dia ilainy, ary matoky izy, mahatsapa ny fiadanana omeny. Izany fanoavana feno fifaliana izany no mahatonga azy hampiasa ny teny hoe „fety”.
Nefa fantatsika ve fa izany „fety” (na „andro firavoaravoana”) izany dia manomboka amin’ny andro ahatakarantsika fa nanolotra ny ainy Jesosy mba hanadio antsika ho afaka amin’ny fahotantsika, ary nandray an-tanana antsika ho mandrakizay ?
Jesosy ô !
Tariho izahay, ry Mpiandry mahery.
Ny sitraponao tsara sady masina
Dia enta-maivana ho anay ;
Ny fitiavanao dia mandroaka ny tahotra :
Vokiso amin’ny fitiavanao izahay
Isanandro.