Talata 8 Jolay 2025

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako : tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay… ampandehanako azy. Isaia 55:11

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra. Hebreo 4:12

 

Feo avy any an-danitra

Ny evanjelista Charles Spurgeon (1834-1892), izay nasaina hitoriteny ao amin’ny „Lapa Kristaly” any Londra (Angletera), dia te hahazo antoka fa ho re tsara ny feony, ao amin’io efitra midadasika io. Nankany izy ny andro mialoha, mba hanao fanandramana, niaraka tamina namana iray, izay nipetraka teny amin’ny dabilio aoriana indrindra. Teny ambonin’ny sehatra i Spurgeon, nanonona tamin’ny feo mahery ilay teny ao amin’ny Baiboly, hoe : „Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15). Naveriny io andininy io, tamin’ny feo tsy notereny ho mafy intsony. Nampahafantra azy tamina fihetsika ilay namany, hoe miely tsara ny feo ; dia tony izy, lasa nody.

Dimy amby roapolo taona tatỳ aoriana dia nisy lehilahy iray narary mafy, nangataka hihaona amina pasitera. I Spurgeon no teo.

— Vonona hihaona amin’Andriamanitra ve ianao ? hoy ilay evanjelista.

— Eny, hoy ilay marary, tsy matahotra aho ; Jesosy no Mpamonjiko.

— Mba tantarao amiko hoe ny fomba nahitanao Azy.

— Tamina fomba mahagaga : dimy amby roapolo taona lasa izay, amin’ny maha mpamboatra fantson-drano ahy, dia nisy famboarana tsy maintsy nataoko tao ambanin’ny satro-tranon’ny Lapa Kristaly. Niaina tsy nisy an’Andriamanitra aho tamin’izany fotoana izany. Tampoka teo aho dia nahare feo indroa, ohatra ny avy any an-danitra, nanao hoe : „Mahatoky izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota”. Nahakasika mafy dia mafy ny fieritreretako sy ny foko izany teny izany, hany ka ny androtr’io ihany aho dia nitodika tamin’ny Tompo Jesosy Kristy.