Alatsinainy 7 Jolay 2025
Hoy Izy (Jesosy) tamin’i Tomasy : Atehefo eto ny rantsantànanao, ka jereo ny tànako ; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin’ny lanivoako ; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa. Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro ! Hoy Jesosy taminy :… sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Jaona 20:27-29
Ny alahady voalohany, ny harivan’ny nitsanganany velona indray Jesosy dia niseho tamin’ny mpianany tafavory, izay somary natahotra. Tsy niaraka tamin’izy ireo teo anefa i Tomasy, tamin’io andro io. Rehefa nilaza taminy ny mpianatra fa nahita ny Tompo, dia hoy izy namaly : „Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana… dia tsy mba hino aho” (Jaona 20:25). Nijanona teo ve ny tantara ? Tsia, fa ny alahady nanaraka dia niaraka tamin’ny mpianatra tokoa i Tomasy ary nihaona tamin’ny Tompo. Dia niteny taminy manokana Jesosy, naneho taminy fa nahare ny teny fisalasalany, ary nitaona azy mba hino. Dia niantso mafy i Tomasy, nentanina finoana sy fitsaohana, hoe : „Tompoko sy Andriamanitro !”
Isika ihany koa dia tsy nahita ny Tompo, nefa manana ny fanambaran’ny Baiboly, anisan’izany io nialan’i Tomasy tamin’ny fisalasalany io. Tahaka azy dia afaka miteny amin’ny Tompo koa isika hoe : „Tompoko sy Andriamanitro !” Taomin’i Jesosy isika tsy ho isan’ny tsy mino, fa ho mpino.
Tsy vitan’ny hoe nanonona io teny io fotsiny i Tomasy, fa niteny tamin’ny mpianatra hafa ihany koa, rehefa nankany Jerosalema Jesosy, hoe : „Andeha koa isika mba hiara-maty aminy” (Jaona 11:16). Naniry izy ho eo anilan’ny Tompo niaraka tamin’izy ireo, na hamoizany ny ainy aza izany.
Niteny tamin’ny Tompo koa i Tomasy hoe : „Tsy fantatray izay alehanao ; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana ?” (Jaona 14:5). Nohararaotin’ny Tompo io fanamarihana io, hanaovana ny fanambarana lehibe izaitsizy hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (and 6).