Alahady 6 Jolay 2025
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao. Salamo 63:1
Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ? Matio 27:46
Ireo teny roa ireo dia fiteny fandrentsika matetika. Inona moa no hevitr’izy ireo ? Inona no dikan’izy ireo, ho ahy ? Izy ireo ve tena fiantsoana tokoa Ilay Andriamanitra avo indrindra ? manoloana zava-doza na olana maha vaka antsika. Tonga tampoka ao an-tsaina ve Andriamanitra ? ao anaty toejavatra izatsy na izaroa. Sa kosa teny roa voatonona fotsiny noho ny hatairana ? nefa tsy tafalatsaka ao anatintsika akory ny tena fisian’Andriamanitra.
Ny didy fahatelo ao amin’ny Lalàna dia mandidy antsika tsy hanonona foana ny anaran’Andriamanitra, izany hoe manonona izany tsy am-piheverana na hoenti-mamitaka (Eksodosy 20:7). Ary raha mba manjary fiandohana vavaka tena izy moa ireo teny ireo… Nihetsi-po fatratra ny mpanao ny Salamo 63, ao amin’ny Testamenta Taloha, niantso an’Andriamanitra hoe : „Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko”. Andriamanitra dia Andriamaniny manokana, Ilay nananany tamin’ny finoana, Ilay fantany ny halehibeny tsy misy fetra, nefa azony antsoina malalaka amin’ny fony manontolo !
Ary nanana lanja tsy misy fetra tamin’ny Tompo Jesosy ireo teny ireo, rehefa notononiny teo amin’ny hazofijaliana. Mihoatra lavitra noho ny ho an’ny olona hafa rehetra, Andriamanitra dia Andriamaniny nandritra ny andro rehetra niainany tetỳ an-tany. Sorona fanonerana Izy (1 Petera 2:24), vao avy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo amin’ny hazofijaliana. Noho ny amintsika dia nihatra taminy ny fandaozan’Andriamanitra, nandritra ireo ora telo nandrakofan’ny haizim-pito ny zava-nitranga tamin’ny fanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. Na izany aza anefa, Andriamanitra dia mbola nitoetra ho Andriamaniny hatrany. Izaho ve dia mbola hanonononom-poana ireo teny roa ireo tsy am-piheverana ? Tsia, satria Andriamanitra dia te ho Andriamanitro koa.