Asabotsy 5 Jolay 2025

Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo. Jakoba 5:11

 

Ny ohatra momba an’i Joba

Noho ny tsy fankatoavany tany am-boalohany, ny olombelona mbamin’ny taranany dia tafapetraka eo ambanin’ny vokatry ny ota. Nanomboka teo dia mampiseho izany ny toetran’ny fiarahamonina misy antsika. Ambaran’ny Baiboly antsika ihany koa fa ny kristiana, izany hoe ny olona matoky an’i Jesosy Kristy, dia vita fihavanana amin’Andriamanitra ary ankasitrahiny. Tsy midika tsy akory izany, hoe tsy azona zava-manahirana ny kristiana. Joba, mpino mahatoky, izay natoky an’Andriamanitra, dia niaina vanimpotoana tsy fahita feno fijaliana : „volana mampahory, ary alina mahadisadisa” (Joba 7:3). Araka izany ny kristiana dia mety handalo fitsapana, izay tsy sazy na famaizana tsy akory. „Tsy misy fakam-panahy (na fitsapana) nahazo anareo, afa-tsy izay zakan’ny olombelona ; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo ; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa, mba hahazakanareo izany” (1 Korintiana 10:13). „Ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharana fakam-panahy (na fitsapana) samihafa ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra (na fitsapana) ny finoanareo dia mahatonga faharetana” (Jakoba 1:2-3).

Mandalo zava-tsarotra lehibe ve ianao amin’izao fotoana izao ? Mahatsiaro tena ho voakasika ve ianao ? Tsarovy fa ny Tompo dia feno fiantrana sady be famindrampo. Joba dia niaina fangirifiriana mampihoron-koditra, nefa niteny tamin’Andriamanitra izy, nony farany, hoe : „Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao. Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao ; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao” (Joba 42:2, 5). Tao anatin’ny fitsapana i Joba dia nahafantatra akaiky kokoa an’Andriamanitra, ary notahin’Andriamanitra be kokoa.