Zoma 4 Jolay 2025

Ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 1 Samoela 16:7

Izay ratsy eo imasonao no efa nataoko… Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao… Diovy… aho ho afa-pahotana… Ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. Salamo 51:4-10

 

Tena izy sa sarintsariny

Isika izao dia miaina ao anaty vanimpotoana ahafahana manao ny zavatra rehetra mba hanatsarana, hanovana, hamboarana ny vatan’olombelona, eny fa na ny endrika aza. Misy sarontava ho an’ny rehetra, ary isan-karazany ! Ny fitafiana, ny fanaingoana endrika, ny fandidiana ho fanatsarana ny vatana, dia mety manova ny tena endritsika etỳ ivelany. Toy izany koa, ny teny avoakantsika dia mety hanafina zava-marina manelingelina, mety hirona ho amin’ny fiheveran’ny besinimaro, mety hofehezin’ny fifanarahana samihafa…

Mampitandrina antsika Andriamanitra ! Mijery ny fo Izy. Tsy misy afaka miafina eo anatrehany. Afaka mamitaka ireo manodidina antsika isika, fa tsy afaka mamitaka Azy ! Hatramin’ny nahaterahantsika dia efa fantany ny zavatra rehetra momba antsika : izay eritreretintsika, tenenintsika, tsapantsika. Fantany hoe iza marina moa isika.

Nanao izao teny mahery izao Jesosy : „Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy !… Miseho amin’ny olona ho marina [ianareo], nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsy fankatoavan-dalàna” (Matio 23:27-28). Tsy ny endrika ivelany no nifidianan’i Jesosy ny apostoliny. Izy ireo dia mpanarato tsotra niasa, mpamory hetra tsy marina tamin’ny vahoakany ka natao tsinontsinona noho izany, Jodasy izay fantany ny fitiavany vola. Jesosy dia nanatona olona tsy tiana Jiosy ho nohatonina akory : mpivarotena, vahiny, kapiteny ao amin’ny tafika romana mpanjana-tany, sns. Manatona antsika ihany koa Izy, na iza marina isika na iza. Tsy mamaky bantsilana ny momba antsika Izy mba handetehany antsika, fa mba hiekentsika ny toeram-pahaverezana misy antsika eo anatrehany, ary mba hatokiantsika Azy hanadiovany antsika sy handaminany ny ao amin’ny fiainantsika.