Alakamisy 3 Jolay 2025

(Hoy Jesosy :) Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota. Matio 9:13

Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra. Titosy 2:11

 

Mbola fotoana izao

Nisy fihetsiketsehana lehibe nitranga tany Hong-Kong tamin’ny volana jona 2019, noho ny tolo-dalàna iray mitaky fampodiana olona meloka any ivelan’ny firenena, lalàna heverina ho manohintohina ny fahafahana. Nandritra ny fotoana vitsivitsy, ireo fivoriana sy filaharam-be ireo dia naka ho hiakam-pivondronana, hira kristiana iray manome voninahitra an’Andriamanitra sy manambara fa Jesosy Kristy dia Tompo. Angamba ireo nifanatrika tamin’ny manampahefana tsy mino an’Andriamanitra ireo, izay nihira io hira io, tsy kristiana avokoa, na tsy tena nahatsapa ny herin’ilay tononkira. Mahavariana ny nisafidianana io hira io, nefa afaka mihevitra isika fa nampiasain’Andriamanitra io hira io mba hanapariahana sy hanambarana mihitsy ny hafatry ny Filazantsara eo anatrehana tsy finoana tena mahery.

Mila Mpamonjy avokoa mantsy ny olombelona rehetra. Efa 2000 taona mahery izao, ary mandraka ankehitriny, no torina manerana izao tontolo izao ny Filazantsara. Isika dia ao anatin’ny vanimpotoana iasan’ny fahasoavan’Andriamanitra, mandra-pahatonga ny fotoana hiverenan’i Jesosy Kristy haka ireo mpino. Io fahasoavana io, izay mitondra fanafahana ao amin’i Kristy, dia atolotra ny olona tsirairay tsy an-kanavaka, satria Andriamanitra dia „tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4). Ankehitriny ny Tompo Jesosy dia mbola tsy niverina haka ireo olony ho any anilany, any an-tranon’ny Ray, satria mahari-po amin’ny olona rehetra Andriamanitra, „ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9). Koa aza gaga isika raha torina amin’izao vanimpotoana iainantsika izao ny Filazantsara. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „Kristy no torina, ary mifaly amin’izany aho” (Filipiana 1:18). Mbola miantso hatrany, izao, ny fitiavan’Andriamanitra.