Alarobia 2 Jolay 2025
Fa tsy mihevitra ny asan’i Jehovah, na ny vitan’ny tànany, izy. Salamo 28:5
Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy ; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo, sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana. Asan’ny Apostoly 14:17
„Hoy ny zafikelinay efa-taona tamin’ny vadiko, indray andro : Fantatro hoe aiza Andriamanitra no mipetraka. Monina ao anaty ala eo akaikin’ny tranonao Izy.
Rehefa nilaza tamiko izany teny izany ny vadiko, somary gagaga, dia tsaroako fa nitondra ny zafikeliko tao amin’io ala io aho. Nilaza taminy aho fa na tsy afaka mahita maso an’Andriamanitra aza, dia afaka mahita kosa ny zavatra nataony. — Hitanao ve ny dian-tongotro ? Ny biby, ny hazo ary ny renirano dia toy ny hoe dian-tongotr’Andriamanitra. Fantatra fa eto Izy, satria afaka hitan’ny maso ny zavatra nataony” (James B.).
Isika ve mahay mahita ny dian-tongotr’Andriamanitra toa an’io zazalahy kely io ? Mba efa nahasondriana antsika ve ny hakanto sy fahambonian’ny voary ? Masoandro mody mitara-mena, akon’ny kotroka any an-tendrombohitra, fanginana toerana rakotra orampanala, famirapiratry ny lanitra feno kintana… Aza mianina amin’izany isika, fa ndao hitodika amin’Ilay nanao ireo zavatra kanto rehetra ireo, hitodika amin’Andriamanitra. Ny mpanao ny Salamo 104 dia nahita ny dian-tongotr’Andriamanitra tao amin’ny fahariana : „Endre ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô ! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra ; heniky ny zavatra nataonao ny tany” (and 24). Nitarika azy hidera an’Andriamanitra izany fandinihana lalina izany. Ny salamo nataony dia miantomboka sy miafara amin’ny teny hoe : „Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko !”
Ho an’ny maro amintsika mipetraka any an-tanàn-dehibe dia sarotra indraindray ny ho akaikin’ny voary, nefa kosa isika dia afaka mifanerasera mandrakariva amin’Andriamanitra, amin’ny fivavahana aminy ary koa amin’ny famakiana ny Baiboly. Ndao haka fotoana hanaovana izany, toy ny akantsika fotoana iresahana amina namana sy ihainoantsika azy.