Talata 1 Jolay 2025

… ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Filipiana 3:8

… Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, nefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra. 1 Petera 1:8

 

Ny mahafantatra an’i Jesosy no zava-dehibe

Nandritra ny am-polontaona maro dia ankizy an’arivony no nandre resaka momba an’i Charlie Vander Meer. Izy no dadatoa Charlie, mpanentana ny fandaharan’ilay radio amerikana antsoina hoe „Children’s Bible Hour” (Fotoanan’ny Baiboly ho an’ny ankizy), novaina ankehitriny ho „Keys for Kids” (Fanalahidy ho an’ny ankizy). Nandritra ny fiainany i dadatoa Charlie dia naniry mafy hampahafantatra an’i Jesosy sy ny hafatra nentiny. Nanomboka teo amin’ny faha-9 taonany, ary nandritra ny 70 taona mahery izy dia nampita ny hafatry ny Filazantsara tamina ankohonana manerana izao tontolo izao, tamin’ny alalan’ny radio.

Ny andro mialoha ny nandehanany any an-danitra, dia hoy izy tamina namany iray teo anilany : „Ny zava-dehibe dia tsy izay hainao, fa ny hoe iza no fantatrao. Mazava ho azy fa Jesosy Kristy no resahiko”. Ary nampiany hoe : „Mbola matoky Azy aho ankehitriny, toy ny fony aho 6 taona. Ny zava-dehibe indrindra dia ny mandray an’i Jesosy ho Mpamonjin’ny tena manokana.”

Mety mahafantatra zavatra betsaka momba an’i Jesosy isika, ary mahafantatra tsara ny Baiboly koa aza, nefa tsy tena mahafantatra marina an’i Jesosy akory. Ny hoe mahafantatra an’i Jesosy dia mihoatra noho ny mahafantatra ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainany, ary mihoatra noho ny fampianarany aza. Ny atao hoe mahafantatra Azy dia hoe nifanena taminy. Tokana ny lalana mankeo aminy, dia ny finoana mandray ny famonjena maimaimpoana atolony antsika. Maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, mba ho voavela heloka isika sy hanana fiainana mandrakizay.

Rehefa tia olona iray isika dia maniry handany fotoana miaraka aminy mba hahafantarana azy tsara kokoa. Ndao handany fotoana miaraka amin’i Jesosy. Manao izany isika rehefa mamaky ny Baiboly, mikatsaka izay lazainy momba Azy. Manao izany koa isika rehefa mivavaka aminy, ary mandray anjara amina fivoriana kristiana.