Alatsinainy 30 Jona 2025
Jesosy nahita an’i Natanaela… dia nilaza azy hoe : Indro ny tena Israelita tsy misy fitaka. Hoy Natanaela taminy : Ahoana no ahafantaranao ahy ? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe : Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao. Dia namaly Natanaela ka nanao hoe : Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra. Jaona 1:47-49
Tsy misy andinindininy momba ny apostoly Bartolomeo ao amin’ny Baiboly. Tsy voalaza ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona ny anarany, nefa hita ao ny an’i Natanaela, eo akaikin’ny anaran’ny apostoly sasantsasany (Jaona 21:2), dia mety ho olona iray ihany i Bartolomeo sy Natanaela, fa nantsoina tamin’ny anarana roa samy hafa fotsiny.
Natanaela dia nandre resaka hoe Jesosy avy any Nazareta no Ilay Mesia. Nandà tsy hino izany aloha izy tamin’ny voalohany, satria Nazareta dia tanàna any Galilia nataon’ny Jiosy tsinontsinona. Tapa-kevitra hanatona an’i Jesosy ihany anefa i Natanaela. Rehefa nahita azy nanatona Jesosy, dia niarahaba azy tamina fomba manaitra hoe „tena Israelita”. Mbola niady hevitra indray anefa izy hoe : „Ahoana no ahafantaranao ahy ?”
Nasehon’i Jesosy azy fa efa hitany izy tamina fotoana iray voafaritra tsara, „teo ambanin’ny aviavy”, fony mbola tsy niresaka taminy akory i Filipo.
Nanan-danja ho an’i Natanaela io fotoana niresahan’i Filipo taminy momba an’i Jesosy io, nefa nambaran’i Jesosy taminy fa efa fantany izy talohan’izany. Inona no nataony teo ambanin’ny aviavy ? Nivavaka ve ? Namaky ny Tenin’Andriamanitra ve ? Nanao zavatra tsara ve sa zavatra ratsy ? Na inona na inona nataony, dia efa hitan’i Jesosy izy.
Rehefa nahatsapa izany fahafantaran’ny Tompo ny zavatra rehetra izany i Natanaela, dia niteny mafy hoe : „Ianao no Zanak’Andriamanitra ; Ianao no Mpanjakan’ny Israely”. Toy izany no nahatonga azy ho mpianatry ny Tompo.
Ianao izay mamaky ireto andalan-tsoratra ireto, tonga saina ve ianao hoe hitan’ny Tompo ? na aiza na aiza misy anao, ary na inona na inona ataonao. Niankohoka teo anatrehany ve ianao ? nanao vavaka mangina na notononina, hoe : „Ianao no Zanak’Andriamanitra”.