Alahady 29 Jona 2025

Anao, Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra. 1 Tantara 29:11-12

 

Fahambonian’Andriamanitra, andraikitry ny mpino

Io tenin’ny Baiboly voatanisa etsy ambony io dia manome antsika hevitra momba ny fahambonian’Andriamanitra. Andriamanitra dia mahafantatra ny zavatra rehetra, mahefa ny zavatra rehetra, manerana toerana rehetra, ary tsy miankina amin’iza na amin’iza. Satria tia antsika Izy, dia afaka matoky Azy tanteraka isika.

Ny fahatsapana ny fahamboniany, araka izany, dia manome antsika ny hery sy fampaherezana rehefa mandalo fitsapana na zava-manahirana isika. Fantatsika fa avelan’Andriamanitra hitranga ireny, mba hahasoa antsika ; ary tsy diso Izy. Raha toa isika tsy manana fahazoana antoka feno fa avelany hitranga ireny, dia tsy hisy dikany eo imasontsika. Dia tsy ho inona ny fiainana, fa zava-doza tsy misy fotony fotsiny ihany, araka ny filazana filôzôfa sasantsasany.

Ary koa, raha ambony indrindra Andriamanitra, nahoana no torìna ny Filazantsara ? Tsy hainy tarihina ho amin’ny fibebahana sy ho amin’ny Mpamonjy angaha ireo izay tiany hovonjena, na tsy miditra an-tsehatra aza isika ? Mamaly izany fanoherana izany ny Baiboly : „Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany ? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny ? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory ?” (Romana 10:14).

Koa mitory ny Filazantsara isika, mahazo antoka fa mahery ny Andriamanitsika ka mampitsimoka ny Teniny ao am-pon’izay mihaino izany. Manao izany isika, satria mahafantatra fa mety holavina ny Teniny ambarantsika. Izany dia tsy manala na inona na inona amin’ny andraikitsika hanaparitaka ny teny tsaran’Ilay Andriamanitsika. Fahasoavana omeny antsika ny mba mandray anjara amin’ny drafitra feno fitiavana najorony. Fotoana kely dia kely sisa, hanatanterahana izany : ndao hitory androany dia androany ihany io vaovao mahafaly io, dieny mbola tsy tara loatra.