Asabotsy 28 Jona 2025
Aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo… fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. Lioka 12:29-30
Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra. Filipiana 4:6
„Rehefa miteny hoe „filana” isika, dia mieritreritra ny vola aman-karena ilaintsika angamba, aloha. Ny teny ao amin’ny Lioka 12 dia mitaona antsika hiantehitra amin’Andriamanitra ary tsy hanahy, na momba ny hanina na ny fitafiana.
Fantatsika tsara fa manana zavatra hafa ilaina isika, ankoatra ny hanina ho an’ny vatana ! Nefa haintsika ve ny mamantatra azy ireny ? Isika dia miaina ao amina fiarahamonina mandresy lahatra antsika amina karazana „filana” maro samihafa. Toy ny hoe ampanekena an-tery antsika avy etỳ ivelany izy ireny : jereo ny dokambarotra, ny gazety-boky… Mazava ny hafatra ampitainy : „Mahalala ny zavatra ilainao izahay !” Ireny hafatra ireny dia miantso ny faniriantsika hanan-javatra, nefa lavitra dia lavitry ny tena ilaintsika, ary mitarika antsika ho amin’ny safotofoto.
Matetika dia matetika isika no miandry ny hafa hameno ny filantsika, ary mazava ho azy fa tsy afaka manatanteraka izany manontolo ireny olona ireny. Dia tonga ny hadisoam-panantenana, fanomezan-tsiny, fangidiana. Na koa isika miezaka hahafeno ireny filana ireny amin’ny herintsika samirery, ka mampiasa paik’ady na fomba tsy tsara, izay tsy azon’Andriamanitra ankasitrahina. Ohatra, mba hamenoako ny filako fankasitrahana, dia mety hanjary andevon’ny asako aho.
Andriamanitra dia manampy antsika hanavaka ireo filana mahavoafitaka antsika sy ireo tena filantsika. Ndao hiteny aminy hoe : „Eny, mila tiavina aho, mila fiadanana, mila fanajana, mila famelan-keloka…” Mihaino tsara ny vavaka ataontsika Andriamanitra, ary mahatakatra ny mahazo antsika. Ny valiny omeny antsika dia hahatonga antsika hahita fa ny tena ilaintsika lalina indrindra dia Izy.”
araka an’i Évelyne F.Ny hoe miaiky ny filantsika, dia ny manaiky tsotra fotsiny ny maha olombelona antsika sy ny fetrantsika.