Zoma 27 Jona 2025

Aza mety hofitahina ianareo ; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara. Mifohaza tsara, ary aza manota. 1 Korintiana 15:33-34

Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny làlan’ny ratsy. Ohabolana 4:14

 

Izay ifaneraseranao dia hanjary toa azy ianao

Io oha-pitenenana io dia milaza amintsika fa izay mifanerasera amin’olona manana fitondrantena ratsy sy melohin’Andriamanitra, dia hanjary toa azy ireo tsy ho ela. Ao amina fiarahamonina misy olona maro manilika ny soridalana ara-pitondrantena, dia sarotra ny tsy ho voatarika. Mihamanjavozavo sy mifangaro ny atao hoe tsara sy ny atao hoe ratsy, ka tandindomin-doza ny kristiana hanaiky ny fomba fanao sy fisaina eo amin’ny tontolo manodidina azy.

Ny Baiboly dia miresaka an’i Lota, lehilahy mpino nisafidy ny honina mahazo aina teo amin’izao tontolo izao. Voasarika tamin’ny ratsy izy rehefa nandeha nonina tany Sodoma. „Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’i Jehovah” (Genesisy 13:13). Indro izy voagejan’ireo olona ratsy fomba tsinin’Andriamanitra ireo, mandra-pahatonga ny fotoana tsy maintsy nandosirany an’io tanàna io, rakotra henatra sy fahafaham-baraka.

Ho ana mpino iray, ny hoe mandefitra amina hery mitarika ho amin’ny ratsy dia minia mifanerasera tsy tapaka amina loza (andinin-tSoratra Masina voatanisa). Mety ho matanjaka amin’ny finoana isika, manana fiainana feno fanoloran-tena ho an’Andriamanitra, nefa vetivety dia hihena hery ny finoana, ary mety hihozongozona mihitsy aza. Ny fitarihana olona iray akaiky antsika dia mety hanimba ihany koa. Indraindray dia mety ho fandrika ny fitiavana fianakaviana (Lioka 14:26). Andriamanitra irery no afaka manampy antsika sy manome antsika herim-po mba hanapahantsika fifaneraserana azo tsapain-tanana na an-tsaina, izay mety hampanalavitra antsika aminy, tsy tsapantsika akory. Ny vahaolana : „Mandosira ny filan’ny tanora fanahy ; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio” (2 Timoty 2:22).