Alakamisy 26 Jona 2025
Ary hoy Davida tamin’i Abigaila : Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Israely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany. Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra ary tsy hamaly ho an’ny tenako. 1 Samoela 25:32-33
Mbola tsy mpanjakan’ny Israely i Davida, ary nanao haza lambo azy i Saoly, izay tsy nanaiky hanome azy ny fanjakana. Tam-panetrentena izy no nangataka fanampiana tamin’i Nabala, mpiompy manankarena iray, saingy nandà i Nabala. Tezitra i Davida, ka niainga niaraka tamin’ny miaramilany mba hamaly faty. Nanelanelana i Abigaila, vadin’i Nabala, ary niezaka nandresy lahatra an’i Davida mba hampiova fihetsika azy.
Feno fahendrena sy fahatsarana ny fanelanelanana nataon’i Abigaila. Niaiky izy fa i Davida no tian’i Jehovah hatsangana ho mpanjaka. Takany fa ho fahadisoana lehibe ho azy ny mamaly faty. Mba handreseny lahatra azy, am-panetrentena sy am-pahalemem-panahy, dia hoy ny teny mahafinaritra nolazainy : „Hofehezina amin’ny fehin’aina ao amin’i Jehovah Andriamanitra ny fanahin’ny tompoko”. Hitany fa olona arovan’Andriamanitra i Davida. Isika ve mba anisan’ny „fehin’aina” ihany koa ? Izany hoe mifamatotra amin’i Kristy ho amin’ny fiainana mandrakizay ve isika ? „Fa ny fanahin’ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ny foitran’antsamotady”. Endre ! safeli-teny andalan-tononkalo mahafinaritra ! momba ny nandresen’i Davida an’i Goliata. Toy ny hoe taomin’i Abigaila i Davida hahatsiaro ny nanampian’Andriamanitra azy, fony izy nandavo ilay goavambe tamin’ny antsamotadiny. Io Andriamanitra io, Izay nampanalavitra ny fahavalon’i Davida tamina antsamotady monja, dia mbola hiaro azy hatrany. Mora tohina fo aoka izany i Davida, mpanao salamo maro sy ho mpanjaka rahatrizay, ka voakasiky ny teny mendrika hosinganina nolazain’io vehivavy io. Efa sendra antsika ve ny nihetsi-po tamina teny manohina ny fontsika, namerina antsika ho amin’ny hitsiny sy nampaheno antsika ny feon’ny famelan-keloka sy ny fahasoavana ?