Alarobia 25 Jona 2025

Miala aina ny olona, ary aiza izy ? Joba 14:10

(Hoy Jesosy :) Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:2-3

 

Ny fara hety volony

Nisy tantsambo iray vao herotrerony, narary ary nahitana famantarana mampitebiteby nahafahana nihevitra fa voana aretina mafy izy. Nanapa-kevitra hanatona dokotera izy, ka nilazany hiditra hôpitaly eo no ho eo ; dia vao mainka nampitombo ny fanahiany izany. Nipararetra izy, nieritreritra izay mety ho vokatry ny fitiliana ny aretina, ka nandeha nankany amin’izay mpanety hitany voalohany. Nipetraka izy dia niteny taminy hoe : „Alefaso, ataovy tsara. Izao no fara hety voloko, alohan’ny handehanako any amin’ny helo”.

Kristiana ilay mpanety, nanadihady tam-pahamalinana ny anton’izany fanambarana ratsy izany. Sady nanao ny asany izy no niresaka tamin’ilay tantsambo, momba ny finoany sy ny hoaviny : mino an’i Jesosy Kristy Mpamonjy izy, ka ho any aminy any an-danitra rehefa maty.

Niverina tany amin’ny hôpitaly ilay tantsambo, ary nahafantatra ny toetran’ny aretiny tsy azo ihodivirana : homamiadana tsy hay didina intsony. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy mpitsabo mpanampy nandeha nampahafantatra ilay mpanety fa maty ilay tantsambo, ary nanolotra azy taratasy kely nisy soratra mangovingovitra hoe : „Tsy any amin’ny helo. Ho any amin’i Jesosy !”

Raha mbola tsy nametraka ny fitokisanao amin’i Jesosy ianao, dia ataovy izany izao ; aza miandry ho eo am-parafara-na hôpitaly vao hihevitra an’Andriamanitra : „Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2). Mamonjy Jesosy androany !