Talata 24 Jona 2025
Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika. 1 Jaona 3:2
Fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo. Matio 6:8
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra. Lioka 12:7
Nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjinao ianao. Ambaran’ny Baiboly fa manana „fihavanana amin’Andriamanitra” ianao (Romana 5:1), ary „zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Fifaliana toy inona moa no tokony hameno ny fonao ! Nefa kivy ianao, reraky ny zava-manahirana, ary tonga tsikelikely ny fangidiana. Dia tonga ao anatinao ny eritreritra hoe : „Tsy mihevitra ahy intsony Andriamanitra”.
Mamelà anay hilaza fa ny mifanohitra amin’izany no izy : izay rehetra mahakasika anao dia heverin’Andriamanitra, Izay nanjary Rainao. Nikarakara ny famonjena mandrakizay ho anao Izy, tamin’ny nanomezany an’i Jesosy Kristy, Ilay Zanany malalany, teo amin’ny hazofijaliana. Ahoana no tsy hiheverany izay ilainao isanandro, izay rehetra mampijaly anao ? Milaza marina Jesosy, ao amin’ny Filazantsara, hoe : „Ny Ray dia tia anareo” (Jaona 16:27). Ahoana no tsy hiresahana amin’io Ray Tsitoha sy tena tia io ? Ahoana no tsy hitokiana aminy, tsy hilazana aminy ny fikorontanan’ny sainao, ny hirifirinao, ireo fanontanianao ? mahazo antoka fa ho takany izay manjo anao. Manatòna Azy, tadiavo Izy, ataovy izay hahitana Azy, misaora Azy ; dia ho hitanao ny hasambarana mahafantatra fa tian’Andriamanitra ianao.
Ny Raintsika Izay any an-danitra dia manana drafitra ho an’ny fiainantsika, drafitra voamariky ny halavorariny sy ny fitiavany lehibe aoka izany. Izay tsara indrindra no tiany ho antsika, na dia ampandaloviny lalana sarotra aza isika, indraindray. Ny hoe miara-miaina aminy dia manankin-tena aminy, manaiky ny sitrapony, manaiky hotezainy. Izany koa dia hoe manaiky ho araka izay angatahiny : ho iraka solontenany eo anatrehan’ny olona. Ary indrindra, misitraka ny fanatrehany amin’ny maha Andriamanitra Azy eo anilantsika, mandra-pahatonga ny fotoana handraisany antsika ao an-tranony any an-danitra.