Alatsinainy 23 Jona 2025
Hoy Filipo taminy : Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. Hoy Jesosy taminy : Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo ? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray ; koa ahoana no anaovanareo hoe : Asehoy anay ny Ray ? Jaona 14:8-9
Ao amin’ny Baiboly dia misy mpino roa lahy antsoina hoe „Filipo” : i Filipo mpianatra, nofidina ho apostoly, sy i Filipo evanjelista, nitana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiandohan’ny tantaran’ny Fiangonana.
Ny apostoly Filipo dia nanana anarana avy amina teny grika, saingy avy any an-tanànan’i Betsaida any Galilia, toa an’i Petera sy Andrea. Nanjary mpianatr’i Jesosy izy rehefa namaly tsotra fotsiny ny antsony hoe : „Manaraha Ahy” (Jaona 1:42). Teo no ho eo ihany i Filipo dia nitaona an’i Natanaela hihaona ihany koa amin’ny Tompo.
Voahodidina vahoaka marobe noana i Jesosy, ary nanontany an’i Filipo, mba hitsapany ny finoany, hoe : „Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo ?” Nisalasala i Filipo namaly Azy hoe : „Na dia mofo vidina denaria roanjato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy” (Jaona 6:5-7). Tsy tsaroany intsony ve ny fahagagana rehetra nataon’i Jesosy ? Tsy nijanona teo amin’izany valiteny izany anefa Jesosy, ary dia ho voky ny vahoaka. — Rehefa nisy Grika sasantsasany te hihaona amin’i Jesosy, dia nilaza izany tamin’i Filipo izy ireo ; ary Filipo nangataka fanampiana tamin’i Andrea. Dia tafahaona tamin’i Jesosy ireo Grika ireo. — Rehefa niteny tamin’ny mpianany mba hahafantatra ny Ray ny Tompo, dia hoy i Filipo namaly : „Tompoko, asehoy anay ny Ray”. Teo koa, io fangatahana io dia nahazoan’i Jesosy nanambara ny zava-miafin’ny maha Izy Azy : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (andininy androany).
Araka izany dia novain’ny Tompo ho zavatra tsara avokoa ny fisalasalan’i Filipo. Aza misalasala isika mametraka amin’ny Tompo izay rehetra fanontaniantsika, manambara aminy ireo zava-mampisalasala antsika. Hanafana ny fontsika ny fahasoavany ao amin’ny valinteniny (Lioka 24:32).