Alahady 22 Jona 2025

Izao no fitiavana : tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. 1 Jaona 4:10

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. 1 Jaona 3:16

 

Fitiavana tsy takatry ny saina

„Mandra-pihaona e, tena tiako be mihitsy ianareo !” hoy ity zazavavy kely tamin’ireo ray aman-drenibe-na namany, teo am-piravana tany an-tsekoly. Notenenin’ny mpampianatra azy tan-kalemem-panahy ilay zaza hoe : „Hitanao, aleo tsy miteny toy izany amin’olona vao izay no hitanao ! Lasa aloha loatra ny filazanao amin’izy ireo hoe tianao toy izany izy ireo…”

Io fanamarihana io dia maha tonga saina antsika fa tsy nentim-pahariana amin’ny olombelona ny mitia olona tsy ananany fifandraisana manokana.

Jesosy anefa tonga tetỳ an-tany mba hanolotra ny ainy noho ny fitiavany antsika, na dia nolavintsika aza izay rehetra mety ho fifandraisana amin’Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona mahatehotia ao amintsika : isika dia „sady hala no nifankahala” (Titosy 3:3). Nefa dia nanatona antsika voalohany Ilay Zanak’Andriamanitra : narotsany tsy misy fepetra, tamina fomba tsy takatry ny sain’olombelona, ny fitiavany. Io fitiavany io dia nanosika Azy hisolo toerana antsika mba hitondra ny vesatr’ireo fahotantsika, nefa isika dia tsy nanana afa-tsy fankahalana sy fanaovana tsinontsinona Azy. Ary na tamin’Izy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana aza, dia nisy mpandalo naniratsira Azy sy nandrora ny tavany. Nahafantatra izany rehetra izany Jesosy talohan’ny hiainany izany, nefa dia nisafidy handao ny lanitra ihany, mba hanao sorona ny tenany sy hamonjy ireo rehetra hino Azy. Isika ve afaka hahatakatra rahoviana „izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny… ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana… rehetra” (Efesiana 3:18-19) ?