Asabotsy 21 Jona 2025

Ny mpanompon’ny Tompo… ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra… mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy. 2 Timoty 2:24-25

Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Filipiana 4:5

 

Ilay sofina tapaka

Hosamborin’andian’olona ao an-tsahan’i Getsemane Jesosy. Tapa-kevitra tanteraka i Malkosy mpanompon’ny mpisoronabe hampiditra an-tranomaizina io „mpanakorontana” io. Tetsy andaniny koa i Petera mpianatr’i Jesosy dia tia ny tompony, ary vonona hiaro Azy. Rehefa nanatona i Malkosy, dia nanelanelana i Petera ary nanapaka ny sofiny tamin’ny sabany ! Teo no ho eo ihany Jesosy dia niditra an-tsehatra, nikasika ny sofin’ilay tonga mba hisambotra Azy ka nahasitrana izany (Lioka 22:51), ary nanome tsiny an’i Petera, ilay mpianany taitaitra.

Teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia nisy kristiana sasany koa, indrisy ! nanana io fihetsik’i Petera io. Nihevitra hoe nanao ny tsara izy ireny, nampiasa herisetra mba hiarovany ny fahareseny lahatra, ka tamin’izany dia naneho fijoroana ho vavolombelona mifanohitra amin’ny tokony ho izy. Hadinon’izy ireny fa Jesosy dia nanasitrana fahavalony naratra.

Mahalana kokoa ankehitriny ny herisetra ara-batana ataon’ny kristiana, nefa isika dia mety „hanapaka sofina” mora foana —izany hoe hanapaka ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra- an’ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika, na mpino izy na tsia. Ohatra : mamely tsy am-piheverana amina andininy ao amin’ny Baiboly, mitady hampanaiky ny fahatakarantsika ny fahamarinana kristiana amina fomba mandratra, manao ady ara-teolojia sady manadino ny fitondrantenan’Ilay ohatra lavorary arahintsika, dia Jesosy.

Ry kristiana, ndao hahatsiaro ny halemem-panahin’Ilay Mpamonjintsika, ary haneho ny fampianarany amina saina vonona hihaino, feno fahasoavana sy fanetrentena ; koa ho amin’izany, ndao hikatsaka ny hitovy amin’i Jesosy, eo amin’ny fomba fiasany sy fiteniny.