Zoma 20 Jona 2025
Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ny ranonorana… Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra. Jakoba 5:16-18
Nivavaka ny mpaminany Elia, ary nandritra ny telo taona sy tapany dia tsy avy ny orana tany amin’ny firenena Israely. Taorianan’io fitsapana io, dia nibebaka ny vahoaka ary niverina tamin’Andriamanitra. Dia nivavaka indray i Elia : „Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon’i Karmela, dia niankohoka tamin’ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ny lohaliny. Ary hoy izy tamin’ny zatovony : Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe : Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy : Mandehana koa impito. Ary nony fanimpitony, dia hoy izy : Misy rahona kely ohatra ny tànan’olona, miakatra avy eny amin’ny ranomasina” (1 Mpanjaka 18:42-44).
Nampanantena Andriamanitra fa ho avy indray ny orana (and 1), nefa dia mbola tsy nivaly ihany ny vavaka nataon’i Elia : tsy nisy na inona na inona, mbola tsy nisy ihany ! Fa tamin’ny fanimpitony dia nisy rahona kely niakatra. Narahina rahona matevina kokoa io, dia avy be ny orana. Raha toa kivy ilay mpaminany ka nijanona tamin’ny fanienina, dia tsy ho nanana io toetra maha valim-bavaka miharihary avy amin’Andriamanitra io ilay orana !
Mihaino vavaka Andriamanitra. Mamaly izany Izy, nefa araka ny sitrapony, sady mizaha toetra ny finoantsika. Ndao àry hivavaka am-pinoana sy am-paharetana !
Nisy mpino hafa, niaina toejavatra mitovy amin’izany. Isaka, izay momba ny vadiny, dia nivavaka nandritra ny roapolo taona, mandra-pahaterak’i Jakoba sy Esao (Genesisy 25:20-26).
Angamba isika efa nandritra ny fotoana ela no nivavaka ho ana zavatra iray voafaritra mazava, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Nifandimby ny taona, nefa mbola tsy nisy na inona na inona ihany… Aza kivy, satria Andriamanitra dia manatanteraka mandrakariva izay nampanantenainy. Ho araka ny sitrapony ny valim-bavaka avy aminy, sady homena antsika ho fandresen’ny finoantsika.