Alakamisy 19 Jona 2025
Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’alina, amin’ny anaovany ahy mandrakariva hoe : Aiza izay Andriamanitrao ? Salamo 42:3
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko ? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao ? Manantenà an’Andriamanitra. Salamo 43:5
Misy fanontaniana sasantsasany mety hiverimberina ao an-tsaintsika, ka mampijaly sy mampitomany antsika mihitsy, ary mahakivy tanteraka aza.
„Aiza izay Andriamanitrao ?” hoy ny olona amintsika, sady maneso. Ahoana no amalian’ny mpanao salamo azy ? Akaiky Andriamanitra, ho azy ireo : lazainy ny maha Izy Azy sy izay iainany miaraka aminy.
— Izy no „Ilay Andriamanitra velona”. Ny kristiana dia nianatra hahafantatra an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany : Jesosy no manome fiainana mandrakizay sy fiainana be dia be. Izy mihitsy no fiainana mandrakizay (1 Jaona 5:20).
— Izy no „Ilay Andriamanitro” : tsy Andriamanitra lavitra sy tsy ho an’olona, fa Mpamonjiko sy Andriamanitro.
— Izy no „Ilay Andriamanitry ny fiainako” : fantany ny fiainako miaka-midina, ireo fifaliako sy alaheloko ; tsy hoe miaraka amiko indraindray fotsiny Izy, fa anisan’ny fiainako mihitsy ; miaraka amiko Izy ; fantatro fa Azy aho.
— Izy no „vatolampiko”. Miorina eo ambony fanorenana tsy mihontsona sy maharitra ny fiainako, toy ny trano naorina teo ambonin’ny vatolampy (Matio 7:25).
— Izy no „heriko”. Afaka mitoky aminy aho. Miaro ahy Izy, manome ahy antoka sy faherezana, ary manatanjaka ahy.
— Izy no „Ilay Andriamanitry ny fifaliako indrindra”. Eny, hisaotra Azy aho, hidera Azy sy hitsaoka Azy, satria Izy no Mpamonjiko sy Tompoko. Manisy fifaliana ny foko Izy (Salamo 4:7).
Afaka mandeha sy te handeha isanandro miaraka amin’io Andriamanitra io aho.