Alarobia 18 Jona 2025
Izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana na manao ahoana. Filipiana 4:11
Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. 1 Timoty 6:6
Mbola hay tanterahina ve izany, amin’izao fotoana izao ? Marefo ny toe-piainantsika, manoloana ny hetraketraka isan-karazany eo amin’ny lafiny fiarahamonina, asa, fahasalamana, filaminana… Tsy lavitra na oviana na oviana ny tsy fahafaliana, ary na ny olona manan-katao indrindra aza dia tsy afa-miala amin’ny tsy fahafahampo. Any amin’ny tambajotra sôsialy, ireo mpilaza hevitra, mpanakanto, mpanao fanatanjahantena, olo-malaza, dia mitantara ny fiaimpianany, izay toa manintona, ka indro isika fa malahelo sy tsy faly amin’ny fiainantsika.
Ny apostoly Paoly, izay voafonja tany Roma noho ny finoany, tamin’ny andron’ny amperora Néron lozabe, dia nanambara fa faly teo amin’izany toejavatra niainany izany. Mifanohitra tanteraka mihitsy ! Ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny kristiana tany Filipy izy dia nanoratra hoe : „Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo… Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:4-7).
Ny nameno ny fiainan’ny apostoly Paoly, ny niainany isanandro, dia ny fiadanan’Andriamanitra. Miova ny zavatra rehetra, rehefa Andriamanitra no mameno ny fon’ny olona iray. Misy dikany aminy ireo toejavatra iainany, na mahafaly na manahirana. Avelan’Andriamanitra hitranga ireo, ary miara-miasa hahasoa azy (Romana 8:28). Izay manana an’Andriamanitra ho Ray, amin’ny alalan’i Kristy, dia manana toe-panahy feno fankasitrahana sy fahafahampo, miorina amina fatokiana tsy misy fetra : fantany fa mikarakara azy ny Rainy, manome azy izay rehetra ilainy sy izay tsara indrindra ho azy !