Talata 17 Jona 2025

Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian’i Jesosy manaraka… Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy : Tompoko, inona no ho amin’ity lehilahy ity ? Hoy Jesosy taminy : Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao izany ? fa manaraha Ahy ianao. Jaona 21:20-22

 

Ny apostoly Jaona : „ilay mpianatra tian’i Jesosy” (6)

Ny alahady maraina, roa andro taorianan’ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, dia tonga i Maria Magdalena, nilaza tamin’i Petera sy „ilay mpianatra tian’i Jesosy” fa foana ny fasan’i Jesosy. Teo no ho eo dia nihazakazaka nankany amin’ny fasana izy roa lahy. Nihazakazaka haingana kokoa noho i Petera i Jaona, ka tonga taloha tany. Hitany tsara nipetraka teo ny lambam-paty namosana ny Tompo, nefa tsy sahy nanatona izy. Tonga koa i Petera, ary niditra. Dia nanaraka azy i Jaona, ary nahita fa foana ny fasana : tamin’izay fotoana izay izy dia nino fa nitsangana ny Tompo : „Ary nahita [izy] ka nino” (Jaona 20:8).

Andro vitsivitsy taorianan’izany dia niverina tamin’ny raharaha maha mpanarato azy ireo ny mpianatra maromaro. Niasa nandritra ny alina izy ireo, nefa tsy nahazo na inona na inona ; ary nony maraina dia niseho tamin’izy ireo Jesosy efa nitsangana velona indray, saingy tsy fantatr’izy ireo : nolazainy azy ireo ny toerana tokony handrotsahana ny harato. Teo no ho eo dia takatr’i Jaona fa Jesosy io, ka hoy izy tamin’i Petera : „Ny Tompo irỳ”. Koa nirotsaka tao anaty rano i Petera, mba hanatona haingana kokoa ny Tompony.

Teo Jesosy dia nanasa ny mpianany hisakafo. Nitodika tamin’i Simona Petera Izy, ary nametraka andraikitra vaovao taminy, dia ny ho mpiandry ny mpino, ary hoy Izy taminy : „Manaraha Ahy” (Jaona 21:19). Nefa nitodika i Petera ka nahita „ilay mpianatra tian’i Jesosy”, nanaraka ny Tompo. Dia hoy i Petera nanontany : „Tompoko, inona no ho amin’ity lehilahy ity ?” Hoy ny Tompo namaly azy : „Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao izany ? fa manaraha Ahy ianao”.

Rehefa antitra be i Jaona, natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo noho ny Tenin’Andriamanitra, dia nanoratra tany ny bokin’ny Apokalypsy (Apokalypsy 1:9).

(hitohy amin’ny alatsinainy)