Alatsinainy 16 Jona 2025

Teo akaikin’ny hazofijalian’i Jesosy… nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany, nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ny reniny : Ravehivavy, indro ny zanakao ! Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra : Indro ny reninao ! Ary tamin’izany ora izany dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy. Jaona 19:25-27

 

Ny apostoly Jaona : „ilay mpianatra tian’i Jesosy” (5)

Misy olona roa antsoina hoe „Jaona”, ao amin’ny Baiboly : i Jaona Mpanao batisa, nanomana ny asa fanompoan’i Jesosy ampahibemaso, sy ny apostoly Jaona, nanoratra ny filazantsara sy ireo epistily mitondra ny anarany, mbamin’ny Apokalypsy. Mitanisa anarana mpianatra maromaro i Jaona, ao amin’ny filazantsara nosoratany : Petera, Andrea, Filipo, Tomasy, Joda. Fa rehefa manondro ny tenany kosa izy, dia tsy mba nanonona ny anarany, ka milaza mandrakariva hoe „ilay mpianatra tian’i Jesosy”. Tsapany ny fitiavan’ny Tompo azy : nampiavaka azy izany ; indimy izy no niantso ny tenany toy izany.

Nandritra ny sakafo farany niarahan’i Jesosy tamin’ny apostoliny roambinifolo, dia nipetraka teo anilany „ilay mpianatra tian’i Jesosy”, nankafy ny hamamin’ny fanakaikezana Azy. Tampoka teo anefa dia hoy Jesosy : „Ny anankiray aminareo no hamadika Ahy” (Jaona 13:21). Nivarahontsana ny mpianatra, ary nifampijery… Na nahery fo toy inona aza i Petera, dia tsy sahy nanontany ny Tompo, fa nanatsika an’i Jaona, izay niraika ho amin’ny tratran’i Jesosy, ary nanontany hoe : „Tompoko, iza moa izany ?” Dia nampahafantarin’i Jesosy hoe i Jodasy, izay nandao ny fisakafoana taoriana kelin’izany, ary lasa nivoaka tamin’ny alina.

Teo am-pototry ny hazofijalian’i Jesosy i Maria reniny, sy vehivavy hafa, ary iray monja tamin’ireo mpianany, dia „ilay mpianatra tian’i Jesosy”. Teo anilan’ny hazofijaliana izy, sina teo anoloan’ny Tompony voahombo, ary teo anilan’i Maria. Niara-nandre an’i Jesosy niteny taminy izy ireo. Hoy Izy tamin’i Maria, mantsy an’i Jaona : „Indro ny zanakao !”, ary tamin’i Jaona : „Indro ny reninao !”. Na dia efa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana aza Jesosy, dia mbola nikarakara ny reniny ihany. Nanomboka tamin’io fotoana io dia noraisin’i Jaona ho any aminy i Maria.

(hitohy rahampitso)