Alahady 15 Jona 2025
Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8
Ny teny hoe „filazantsara” dia midika hoe „vaovao tsara, vaovao mahafaly”. Misy ve vaovao tsara kokoa noho ny mahafantatra hoe mamela ny ratsy rehetra nataontsika Andriamanitra ?
Io vaovao mahafaly io anefa dia nialohavana vaovao tena ratsy. Eny, manambara mazava Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, fa very avokoa isika rehetra, mendrika ny fanamelohany ara-drariny, noho ny ratsy manamarika ny fiainantsika tsirairay.
Misy manampahaizana momba ny toetra, milaza fa ny fahatsapana fahamelohana dia tsy mitondra vokatra sady manimba, ary manakana ny fivelaran’ny maha izy ny tena. Izany tokoa, satria raha mijanona fotsiny eo amin’ny fahatsapana ny fahadisoantsika isika, dia manjary mihevitra ny zava-drehetra ho ratsy fandeha hatrany, araka ny ambaran’ny Baiboly hoe : „Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana…” (Hebreo 9:27). Nefa rehefa tonga saina ny amin’ny fahamelohantsika isika, ka mitondra izany am-bavaka eo amin’i Jesosy Kristy, dia miaina ny fanafahana azony ho antsika tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Mbola atolotr’Andriamanitra ho antsika tsirairay io vaovao mahafaly milaza famonjena io, ary manome fiadanana, manome fanantenana mahatalanjona.
Mety hisalasala ny mpitsabo, indrindray, hilaza amin’ny marariny ny haratsin’ny toe-pahasalamany, rehefa tsy manana fanafana azony aroso ho azy. Fa tsy hisalasala kosa izy hanambara amin’io marary io ny aretiny, rehefa manana ny fitsaboana tandrify. Dia toy izany koa, manambara amintsika ny toetrantsika Andriamanitra, satria efa nandefa ho antsika ny fanafana : tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy Zanany, nijaly sy maty mba hamonjy antsika. Vaovao mahafaly anie izany e !