Asabotsy 14 Jona 2025

Fa hoy Izy (Andriamanitra) : „Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. Ka dia sahy manao hoe isika : „Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho ; inona no azon’ny olona atao amiko ?” Hebreo 13:5-6

 

Mahafantatra mba hatoky

Avy nanambara tamina namany iray ny olana mavesatra mianjady aminy ity vehivavy kristiana. Izao ny valinteny feno halemem-panahy azony : „Tsy ho afaka milaza izany rehetra izany amin’Ilay Andriamanitsika ve isika ?”, valinteny mitaona hiantoraka bebe kokoa amin’ny fiahian’Ilay Raintsika. Manamafy izany amintsika ny Baiboly, hoe : „Apetraho aminy (amin’Andriamanitra) ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7). Nefa matetika dia marefo sy mihozongozona ny finoantsika. Mora amintsika kokoa ny miantehitra amina tanan’olombelona hita maso miharihary, noho ny amin’ny tanan’Andriamanitra. Ilay iray anefa malemy sady tsy lavorary, fa ny iray kosa tsitoha sady tsy mety diso hevitra.

Marina fa sarobidy ny fisiana namana eto an-tany, ary mety hanamaivamaivana rehefa azom-pahoriana isika. „Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana” (Ohabolana 17:17). Ary hoy ny mpanao salamo iray : „Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao” (Salamo 9:10). Tsy afaka hatoky olona tsy fantatra isika. Andriamanitra dia nampahafantatra ny tenany tamin’ny olombelona araka ny maha Jehovah Azy, izany hoe Ilay tsy manam-piandohana sady tsy manam-piafarana ; Ilay tsy miova ; Ilay Andriamanitra Tsitoha, Ilay mahefa ny zava-drehetra. Andriamanitra rehefa nampahafantatra ny tenany tao amin’i Jesosy Zanany, dia nanambara ny anarana maha Ray Azy (Jaona 14:9). Ary izay rehetra mino an’i Jesosy dia antsoina hoe „zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Fahasambarana toa inona moa ny mifanakaiky toy izany amin’Andriamanitra, Ilay Ray any an-danitra Izay tia antsika ! Ndao hianatra hahafantatra Azy bebe kokoa hatrany ary tsy hisalasala intsony hilaza aminy ny zavatra rehetra !