Zoma 13 Jona 2025

Rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia… menatra sady mangaihay… fa latsain’ny tsinin’ny fahatanorako. Jeremia 31:19

Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Andriamanitra). Romana 10:11

 

Menatra sy mangaihay

Tamin’ny fahazazako dia imbetsaka aho no nahatsiaro menatra sy mangaihay, rehefa naseho miharihary ny fahadisoana iray nataoko. Toejavatra tsy ahafahana mamaly na inona na inona, ary mampitanondrika…

Ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Matio, ny Tompo dia mampiseho amina fanoharana iray fa mety ho sina tsy mahaloa-bava isika indray andro any, rehefa manatrika an’Andriamanitra (Matio 22:12).

Te hiaiky ny toetrako ara-toe-panahy eo anatrehan’Andriamanitra ve aho androany ? Na manana fironana hiseho ho tsara eo anatrehan’ny hafa aza isika, dia ndao hiaiky fa mahavita manao ny faran’izay ratsy koa : lainga, avonavona, fihatsarambelatsihy, fangidiana, tsy fankatoavana. Andriamanitra anefa mamaky ny ao am-pontsika toy ny ao anaty boky mivelatra. Tapi-dalan-kaleha isika…

Soa ihany fa raha toa isika mino ny fitiavan’Andriamanitra, Izay te hamonjy antsika, dia tsy hangaihay eo anatrehany, satria „ny alahelo araka an’Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana” (2 Korintiana 7:10). Fitsaharana sy fiadanana toa inona moa no tsapantsika ! rehefa mahafantatra fa efa nentin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana ny fitambaran’ny sazin’ny fahotantsika, izay mahamenatra antsika aoka izany. Tsy hiverina intsony eo amin’ny fitadidian’Andriamanitra ireo. Ny fibebahana no mandimby ny fahamenarana sy ny fangaihay, ka ny vokany dia fankasitrahana lalina Ilay Andriamanitra Mpamonjy.

Hoy ny mpanjaka Davida momba izany : „Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany !” (Salamo 32:1).