Alakamisy 12 Jona 2025

Mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy (Jesosy). Kolosiana 1:18

Ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra, noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy… niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra… mba hahazoako an’i Kristy. Filipiana 3:8

 

Manao sivana eo amin’ny fiainan’ny tena

Ny takila voalohany amina gazety-boky iray dia nahitana teny hoe : „Manao sivana eo amin’ny fiainan’ny tena”. Azo antoka fa te hanatanteraka fanadiovana tsara eo amin’ny fiainantsika isika, saingy matetika no manemotra ny fotoana hanaovana izany, na manao toy ny atao amin’ny fanaka tranainy ao an-trano, hoe : „Mety mbola ho azo ampiasaina ireto, ka aleo tehirizina ihany !” Nefa dia mety hahasoa io fanadiovana tena ilaina io, mba hanesorana izay tsy ilaina. Tsy marina ve fa maro ny zavatra eo amin’ny fiainantsika, maka toerana tokony ho ana fisainana mahatretrika, mampandroso, mitondra hery, ary mamokatra ho an’Andriamanitra sy ho an’ny hafa ?

Tamin’ny taona lasa aho dia tototra fisainana nibahana loatra tato am-poko, ohatra ny hoe nandoto ny fifandraisako amin’i Jesosy Kristy. Nangatahiko ny Tompo hanampy ahy hanaisotra ireo fisainana tsy mitondra vokatsoa ireo, miverimberina sy mampiasa saina ahy mihoatra noho ny tokony ho izy. Dia nampiany tamin-kery aho, ary nahatsapa ny tsy ilàna —ny maha „zava-poana” hoy ny mpanjaka Solomona- ireo fomba sasany natao na noeritreretina izay nanelingelina ny fiainako, naka ny toerana nirin’ny Tompo Jesosy hitoerana. Somary nampangirifiry ihany izany „fanadiovana” izany, nefa tena nahasoa.

Ry kristiana, aoka ho Ilay Zanak’Andriamanitra no hanana mandrakariva ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika, aoka ho Izy no ho afaka mifehy ny antony rehetra manosika antsika hanao zavatra. Raha tsy izany no zavamisy, dia ndao hangataka Azy hanadio ny ao anaty fontsika ; dia hofenoiny amin’ny fitiavany ny fontsika !