Alarobia 11 Jona 2025
Misaora amin’ny zavatra rehetra ; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. 1 Tesaloniana 5:18
Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ny alina ? Joba 35:10
„Izahay atỳ Madagasikara dia miaina fifaliana lehibe indraindray. Nefa misy koa fotoana mahakivy, rehefa lazoin’ny tazomoka, na rehefa midona ny zava-mafy ary tsy misy mandeha intsony, na inona na inona. Indray andro izay indrindra aho dia kivy tokoa. Rehefa tonga tao am-piangonana aho, dia nanomboka nivavaka :
— Nahoana no avelanao hitranga izany ? Inona ny anton’izao hakiviana izao ? Nahoana no misy izao tsy fahasalamako izao ? Izaho mba efa nanome ny zavatra rehetra…
Tsitapitapitrizay dia nisy boka iray niditra. Jamba izy, ary voatery mikisaka amin’ny lohaliny rehefa mandeha.
Nony tonga teo akaikiko izy, nihevitra ny tenany ho irery koa, dia nivavaka tamin’ny feo mahery. Vavaka fiderana, vavaka fisaorana no nataony, vavaka mahatalanjona. Tsy tsaroako intsony izay rehetra nolazainy. Fa ny tadidiko, dia izao :
— Misaotra Anao aho, tamin’izay rehetra nataonao ho ahy nandritra ny fiainako. Misaotra Anao aho, na noho izao aretina izao aza. Raha tsy nanjary boka aho, dia ho nijanona tany ambanivohitra nisy ahy. Mety ho lehilahy nanankarena angamba aho, satria manana omby sy tanimbary maro. Saingy tsy ho nahalala Anao na oviana na oviana. Noho izao aretina izao dia tonga teto amin’ny toeram-pitsaboana boka aho. Ary teto no nianarako hahafantatra Anao. Ary ny mahafantatra Anao dia manan-danja kokoa noho ny zavatra hafa rehetra. Koa misaotra Anao aho amin’ny zavatra rehetra, eny, fa na ny amin’izao aretina izao aza.
Ankona aho. Dia nanomboka nitomany. Ary tamin’ny feo moramora no namaranako ny vavaka nataoko, hoe :
— Mamelà ny heloko, ry Andriamanitro. Tsy hitaraina ny aminao intsony aho, na oviana na oviana.”