Talata 10 Jona 2025
Izy (Jesosy) dia nahita an’i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa, namboatra ny haratony. Marka 1:19
Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona, ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray ; dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Marka 9:2
Mpanarato niaraka tamin’ny rainy sy Jaona rahalahiny i Jakoba ; niombona asa tamin’i Petera izy ireo. Nandeha teny amoron’ny ranomasin’i Galilia i Jesosy, no nahita azy ireo namboatra ny haratony. Nantsoiny hanaraka Azy izy mirahalahy. Dia nandao ny zava-drehetra i Jakoba sy ny rahalahiny, mba hanaraka an’i Jesosy. Araka izany i Jakoba dia nanjary iray tamin’ny mpianatr’i Jesosy. Tatỳ aoriana izy dia ho anisan’ny apostoly roambinifolo.
Petera sy Jaona ary Jakoba dia niara-nanatri-maso fotoana telo tena niavaka : ny nahavelona indray zazavavy iray (Marka 5:37), ny niovan’ny Tompo tarehy (9:2), ary ny tebitebiny tao an-tsahan’i Getsemane (14:33).
Jakoba, toa an’i Jaona rahalahiny, hono, dia nanana toetra mahery vaika, mafana fo ; izy ireo mantsy dia nomen’i Jesosy anarana hoe „Boanerjesy”, izany hoe „Zana-baratra” (Marka 3:17). Rehefa nisy Samaritana nandà tsy handray an’i Jesosy tao an-tanànany, dia niantso mafy i Jakoba sy Jaona hoe : „Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy, toy ny nataon’i Elia ?” (Lioka 9:54 ; jereo 1 Mpanjaka 18:21-39). Nefa niteny mafy azy ireo Jesosy, ary nankany amina tanàna iray hafa fotsiny.
Tamina fotoana iray hafa, Jakoba sy ny rahalahiny, nampian’ny reniny, dia nanao fangatahana manaitra tamin’i Jesosy, hoe : „Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao, any amin’ny voninahitrao” (Marka 10:37). Teo koa Jesosy dia nananatra azy roa lahy : nampahafantariny tan-kalemem-panahy izy ireo fa tsy maintsy hijaly noho ny aminy, aloha lavitry ny voninahitra. Jakoba tokoa mantsy no voalohany tamin’ireo apostoly ho maty maritiora, tamin’ny vanimpotoana nanjakan’i Heroda (Asan’ny Apostoly 12:2).